PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
KOLIKOLY AMIN’NY FANDRAISANA MPIASA – APMF : Nidoboka am-ponja ny Tale misahana ny maha olona sy ny havany akaiky iray
Araka ny tatitry ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco) dia sarona ny tambazotra goavana iray mpanao kolikoly niompana tamin’ny fandraisana mpiasa nanomezana vahana olom-pantatra sy nanaovana kiantranoantrano tao amin’ny Antokondraharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dRanomamy na APMF.
Naharava tambazotra iray mpanao kolikoly indray ny Bianco. Fanomezana tombony manokana olona iray, fanomezana vahana havana, ireo olona no nanjaka tamin’ny fandraisana mpiasa eo anivon ‘ny Antokondraharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dRanomamy na APMF, nandritra ny taona vitsy. Nanomboka ny taona 2021 no nisy ny fitarainana mahakasika an’ireo tranga ireo, ka niroso avy hatrany ny fanaovana fanadihadiana. Nandritra izany no nahitana trangana tsy fanarahan-dalàna goavana tamin’ny fandraisana mpiasa teo anelanelan’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2024.
Mpikambana amin’ny vaomiera fampidirana mpiasa sy olona vaovao vao nampidirina miisa enina no nahitana tsy fanarahan-dalàna miendrika kolikoly. Hanenjehana azy ireo ny tranga tsy ara-dalàna amin’ny lafiny fitantanana, fifandraisana amin’ny alalan’ny finday ary fifanakalozana teo amin’ireo olona voakasika tamin’ny tambazotra sosialy ary nahitana porofo mazava momba ny fifandraisana ahiahiana ho feno kolikoly.
Taorian’ny fanolorana ireo olona voarohirohy teo anatrehan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly Antananarivo, tamin’ny 25 sy 31 marsa 2025, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny Tale misahana ny maha olona sy havany akaiky iray. Olona iray hafa, izay avy amin’ny fianakaviany ihany koa, no napetraka amin’ny fanaraha-maso ara-pitsarana.




