Politika

KOLIKOLY ENY AMIN’NY FITSARANA: Mila araha-maso ny fanambaram-pananan’ireo mpitsara

Miseho amin’ny endriny maro ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana, raha ny eto Madagasikara no asian-teny. Misy ireo fifampiraharahana mivantana ataon’ireo olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana amin’ny mpitsara. Fa misy koa ireo miainga amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpanera eny amin’ny fitsarana, ka tafalatsaka amin’ny kolikoly avy eo. Ankoatra izay koa, misy ireo mahavita mihitsy amin’ny fanolorana fanomezana ireo mpitsara miandraikitra ny raharaha, araka ny fanadihadiana. Eo anatrehan’izany, nisy vahaolana vitsivitsy natolotry ny mpahay lalàna no sady sojabe eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny démokrasia sy ny tany tan-dalàna, Imbiki Anaclet. Voalohany indrindra amin’izany ny tokony hampatsiahivina hatrany ireo fitsipi-pitondran-tena ho an’ireo mpitsara. Eo koa ny fanamafisana ny fanarahamaso ny fanambaram-pananan’ny mpitsara. Ankoatra izay, nambaran’Imbiky Anaclet fa tokony ho rarana tsy hiara-hiasa ao amina fari-piadidiam-pitsarana iray ireo mpitsara avy amin’ny fianakaviana iray. Etsy ankilany, ny fanentanana ny daholobe amin’ny ady amin’ny kolikoly mihitsy no mila hamafisina, hoy izy. Ary koa, mila hampiroboroboana ny rafi-pitsarana hafa eny anivon’ny fiarahamonina toy ny Dina sy fifanarahana samihafa. Notsiahivin’ity tompon’andraikitra ity ihany koa ny tokony hanaovan’ireo rafitra marobe miady amin’ny kolikoly eto amintsika tatitra isan-taona momba ny firosoan’ny ady ho antsika eto Madagasikara, isan’izany ny CSI, HCDDED, Médiature de la République, CNIDH, sy ny sisa.

Fermer