Songadim-baovaoToekarena
KOLIKOLY, HOSOKA SY FANARARAOTANA AMIN’NY VIDIN’ENTANA: Mahatonga fampidirana am-ponja, napetraka ny laharana maitso
Efa manomboka midina ny vidin’ny vary eny an-tsena, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’ny alahady lasa teo. Toerana maro eto an-drenivohitra no efa nahitana izay fidinana izay hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny mitobaka eny an-tsena ny vary “Mara” avy any ivelany izay amidy 800Ariary amin’ny mpanjifa ny iray kapoaka. Ankilany, efa misy fiovany ihany koa ny vidin’ny vary eny Imerintsiatosika izay iaingan’ny ampahany betsaka amin’ireo vary vokatra eto an-toerana hamatsiana an’Antananarivo. Nambaran’ny mpivaro-bary iray eny Namontana izay mivarotra Vary Mora amin’ny vidiny 800Ariary fa raha 3 300Ariary no angalana ny iray kilao tamin’ny vary Semence na Tsipala teny Imerintsiatosika teo aloha teo dia efa nilatsaka ho 3 160Ariary izany amin’izao fotoana.
Manoloana ny fiakaran’ny vidin’entana tato ho ato, atao laharam-pahamehana ny lafiny sosialim-bahoaka amin’ny alalan’ny fandrindrana araka ny tokony ho izy ny famatsiana ny mponina, hoy ny tompon’andraikitra. Imasoana ihany koa ny ady amin’ny kolikoly izay misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny tsirairay sy amin’ny fiainam-pirenena. Noho izany indrindra no antony nametrahan’ny MIC ny laharana maitso «261». Ny fametrahana izany dia hahafahana mandray ny fanamarihana sy fitarainana momba ny trangan-javatra ilàna fandraisana andraikitra toy ny endrika fananararaotana amin’ny vidin’entana, ahiahy momba ireo fitaovam-pandrefesana sy fandanjana, hosoka amin’ireo entam-barotra na kolikoly mahakasika ny varotra. “Tanana ho tsiambaratelo ny momba ny mpiantso”, hoy ny fampitam-baovao.
Araka ny lalàna manan-kery dia misy ny fepetra azo ampiharina raha hita fototra ny fihoaram-pefy ataon’ireo mpanararaotra ny mpanjifa. Mahazatra hatramin’izay ny fanagiazana ny entam-barotra avy hatrany, izay mitohy amin’ny fandrafetana ny fitanana an-tsoratra sy fitondrana ny raharahana amin’ny ambaratonga samihafa. “Tsara ho marihina anefa fa mety ho tonga hatrany amin’ny fampidirana am-ponja ny fanasaziana, araka ny rijan-tenin-dalàna fiarovana ny zon’ny mpanjifa”, hoy ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Mba tsy hahatongavana amin’izany dia hamafisina hatrany ny fanentanana sy fanabeazana ireo mpisehatra amin’ny asa varotra rehetra, mba hametraka ho filamatra ny fifampitsinjovana. Mitohy hatrany, noho izany, ny fampahafantarana ireo fitsipika mifehy ny varotra sy fanentanana ho amin’ny fanajàna izany.
S.S




