Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

KOLIKOLY SY FANAMPARAM-PAHEFANA: Tany 54 hektara misy mibodo ao Andramasina

Fianakaviana tompona tany mirefy 54 hektara, mpandova manana taratasy ara-dalàna sy feno no iharan’ny tsindry hazo lena sy ny antsojay isan-karazany ankehitriny noho ny fidoboan’ny olona sasany ny tanin’izy ireo. Raharaha izay mamofompofona kolikoly avolenta sy fanamparam-pahefana, araka ny fitarainan’ireo fianakaviana. Any amin’ny Kaominina Alarobia Vatosola sy ny Kaominina Ambohimiadana, samy ao amin’ny Distrikan’Andramasina no misy ilay tany ifanolanana.

Tany mirefy 50 hektara ao amin’ny Kaominina Alarobia Vatosola sy tany mirefy 4 hektara ao amin’ny Kaominina Ambohimiadana, izay samy ao amin’ny Distrikan’Andramasina no ifanolanana hatreny amin’ny fitsarana ankehitriny. Araka ny fanadihadiana dia misoratra amin-dRazafindrakoto sy Ranaivo, mpirahalahy, ireo tany ireo, efa hatramin’ny vanim-potoan’ny fanjanahantany. Misy taratasy sy pitsopitsony samihafa manamarina izany. Tato anatin’ny 10 taona teo anefa izay, araka ny nambaran’andriamatoa Ramiarisoa Louis Etienne, taranaka mpandova, dia nisy olona niditra ny tany. Ireo olona niditra ireo izay nanao fananganana fotodrafitrasa, toy ny trano sy fasana. Nisy koa ny fanesorana an-keriny ny “Borne”  mamaritra ny tanin’ireo mpandova, ka lasa nihitatra nifanaraka tamin’izay fakana ny tanin’izy ireo.

Teo anatrehan’izany dia nangataka fanohanana tany amin’ny fokontany sy ny Kaominina ireo tompon’ny tany ireo. Tsy nahita rirany tamin’izany anefa izy ireo ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Ny nahagaga ny rehetra tao anatin’ny raharaham-pitsarana anefa dia resy indray ireo mpandova. Nambara tao anatin’izany fa hoe taratasy sandoka no nahazoan’izy roalahy voalaza tetsy ambony ny tany. Ireo olona mpifanandrina amin’ireo mpandova indray araka izany no nomena ny rariny.

Tambazotra mihitsy

Taorian’izay dia nampakatra ny raharaha teny amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC) ireo taranaka lasibatra, saingy mbola tsy nahita rirany ihany koa ary dia nihantona teo ny raharaha. Eo indrindra no ilazan’izy ireo fa ahiana ho misy ambadika kolikoly avolenta sy fanamparam-pahefana ity raharaha ity. Satria tokoa mantsy dia miray petsapetsa tanteraka amin’ireo olona niditra an-keriny teo amin’ny tany ny sefo fokolona sy ny ben’ny tanàna. Izany hoe, ireo tomponandraikitra any ifotony ireo no miaro ireo olona tsy hiala amin’ny tanin’olona manana taratasy ara-dalàna. “Rehefa narahina dia hoe nisy tambazotra mihitsy efa narafitra niainga avy any amin’ny sefo fokonolona, lefitry ny sefo fokontany, ny ben’ny tanàna, hatrany amin’ny fitsarana. Tampina mihitsy ny mason’ny fitsarana. Tsy nisy nandray anay intsony”, hoy Atoa Ramiarisoa Louis Etienne, taranaka mpandova.

Tsara tsindriana fa manana ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny maha azy ireo ny tany ireo mpandova. Izay indrindra no nahavery fanahy mbola velona, toy ny valala voatango, an’ireo fianakaviana lasibatra, ka hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tomponandraikitra mahefa. Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahateo efa nanao fanambarana fa hiady amin’ireo tambazotra mpangala-tany eto amin’ny firenena izay manao tsindry hazo lena ny vahoaka madinika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer