Fanadihadiana ManokanaTrangam-piaraha-monina

KOLIKOLY SY FANAOVANA TSINDRY: Mpiasan’ny fahasalamana manampatra fahefana sy mibodo tranon’olona

Miezaka mamitaka amin’ireo Tomponandraikitra isan-tokony amin’ny filazana fa Hopitaly manarapenitra ilay Infirmiera mpiasam-panjakana mibodo amin’ny tranon’olona, ao amin’ny fokontany Mangaroa, Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny. Efa misy hopitaly vita tokoa ao an-toerana, saingy tsy eo amin’ilay trano bodoin’ilay Infirmiera Mpiasam-panjakana io. Raha ny fanadihadiana tany an-toerana, iompian’ilay infirimiera io kisoa eo amin’ilay trano, izay lazaina fa Hopitaly manarapenitra. Fanadihadiana…

Nisy ny taratasy fanamafisana fampindramana trano natao ny 21 jona 2019, teo amin’ny tompon-trano sy ilay dokotera miasa tao amin’io toerana nindramana io, anatin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny. Voalaza tao anatin’ny fifanarahana fa ampiasaina vonjimaika mandra-pahavitan’izy ireo ny Hopitaly amboarin’ny Fitondram-panjakana. Ilain’ny tompony, araka izany, ny trano nindramina rehefa tonga ny taona 2024. Natao io fe-potoana lavalava io mba hiomanana, saingy vao mainka nibodo ny trano ilay Infirmiera mpiasam-panjakana io, kanefa efa nahavita Hopitaly ny Fanjakana, izay ao anatin’io fokontany Mangaroa io, fa ao anatin’ny Vakim-paritra Antanambao. Tsy mitombina ny fisiana hopitaly roa ao anatina fokontany iray, raha lazaina fa hoe hopitaly io toerana bodoina, izay efa tena simba. Ity trano nindramina natao toeram-pitsaboana ity, dia tao anatin’ny tanin’ny Simpa, ao anatin’ny fokontany Mangaroa, anatin’ny vakim-paritra Tanambazaha.

Misy fitaka bevava ataon’ity infirmiera ity amin’ireo Olom-panjakana ambony tany an-toerana. Nisy ny fitadiavam-bahaolana momba ity tobim-pahasalamana ity ka nidinana tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny 23 aogositra 2024. Saingy, tsy nentina teny amin’io toerana isian’ny disadisa io, fa nentina tamin’ny toeran-kafa. Hany ka tsy nahita ireo tomponandraiki-panjakana fa efa tandindomin-doza ilay toerana, izay lazaina fa Hopitaly manarapenitra.

Ampiharina ny « trafic d’influence »

Ny tsapan’ireo mpandova an’ity trano bodoina ity, fa efa nisy fotoana nandroahana azy ireo, teo amin’ny trano fa hoe atao hopitaly, izay heverin’izy ireo fa fivadiham-pitokisana sy fanamparam-pahefana tsotra izao. Ny manaitra, hatramina olom-boafidy, toy ny depiote, lasa miray tsikomba amin’ity Infirmiera ity manao « trafic d’influence », mba hibodoana tranon’olona, izay lovan’ireo taranaka, ary hanana taratasy, ny amin’ny fisitrahana ny zony. Misy tombontsoa manokana isasahan’ity infirmiera ity amina olom-panjakana vitsivitsy, ve ny fikendrena handroaka ireo tompontrano, hiala amin’ny tranony ?

Raha ny hita eo amin’ny sary, trano efa an-dalam-pahasimbana, izay lazaina fa Hopitaly manarapenitra, izay toa manome endrika ratsy ny Fanjakana ny toe-draharaha.  Raha ny fanadihadiana tany ifotony, mbola hiompian’ilay dokotera mpiasam-panjakana ity kisoa, ny hopitaly lazaina fa manarapenitra. Nambaran-dRandriamanantsoa Seta Isidore, isan’ireo tompontrano, zanaky ny maty, fa ny taona 1994 no nahazo taratasy fanamarinana ny maha azy ny trano ireo tompony, taorian’ny fahafatesan’ny Rainy, izay niasa teo anivon’ny orinasa, tao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny.

Hopitaly lasa trano fianarana…

Raha ny nambaran’ny Tompontrano, fiangaviana no natao tamin’izy ireo, izay nataona Sefo fokontany niaraka tamina Sojabe maromaro, ny mba hipetrahan’ilay dokotera io tao amin’izy ireo, mandritra ny dimy taona, ary natao an-taratasy io fiangaviana ny hipetraka ao amin’ny trano io. Fiantrana ny fokonolona manodidina izay tsy misy toeram-pitsaboana no antony nanaovan’ireto fianakaviana ireto, ny asa fanampiana, satria mila dokotera ny tanàna. Noho io antony io anefa, lasa mibodo ao amin’ny fonenan’ireto fianakaviana ireto io Infirmiera mpiasan’ny fahasalamana io.

Misy fotodrafitrasa Hopitaly tokoa, vitan’ny Fitondram-panjakana ho an’ny fokontany maromaro manodidina ao Tanambao, anatin’ny fokontany Mangaroa ihany, ao anatin’ny kaominina Ankijabe, izay tena manarapenitra. Ny manaitra amin’zao zava-mitranga izao, dia tsy mety mandeha mankany amin’ity Hopitaly manarapenitra ity Mpitsabo ity, fa mbola midongy ao amin’ny tranon’ireo olona. Lasa nivadika ho sekoly indray aza, ny ampahany amin’io Hopitaly vitan’ny Fitondram-panjakana io, noho ity dokotera ity tsy nety nifindra any.  Misy antony manokana, matoa tsy mety miala amin’ity toerana ity, io infirmiera io, izay heverina fa tsy zava-bitika matoa misakobon-doza ka homba ratsy amin’izao fanamparam-pahefana sy fibodoana tranon’olona miampy fivadiham-pitokisana izao. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Ny Fanoratana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer