KolontsainaSamihafaSosialy
KOLONTSAINA : Miroso ny fakan-kevitra fanavaozana ny politikam-pirenena
Toy ny efa natao teto Antananarivo, nanaovana ny fakan-kevitra momba ny fanavaozana ny politikam-pirenena momba ny Kolontsaina sy ny sata maha mpanakanto matihanina ihany koa ireo mpiangaly zava-kanto sy artista ao any amin’iny tapany atsinanan’ny Nosy iny.
Ny 2005 no nisy nikasika farany ny politikam-pirenen’ny Kolontsaina eto amintsika. Noho ny fivoaran’ny zava-misy amin’ny ankapobeny sy ny vanim-potoana, misy ny tetikasa fanaovana ny politikam-pirenena momba ny Kolontsana eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny. Efa nisy ny fikaonan-doha voalohany mahakasika ny fanavaozana ny lalàna mamaritra izany teto Antananarivo ny volana febroary tamin’ity taona ity. Hetsika izay natao tetsy amin’ny Cefom Ivato, natrehin’ireo mpisehatra ara-kolontsaina isan-karazany. Ny herinandro lasa teo, nitohy tao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana io dinika fakan-kevitra mahakasika ny politikam-pirenena momba ny Kolontsaina io. Noraisin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina avokoa ny hevitr’ireo mpanakanto avy ao amin’ny faritra Atsinanana. Tao amin’ny Lapan’ny tanànan’ny Toamasina no nanatanterahana ny hetsika. Lava dia lava ny fifanakalozana nahafahan’ireo mpanakanto nilaza ny hetahetany sy ny soso-kevitra avy amin’izy ireo.
Satan’ny mpanakanto
Etsy ankilany, nifanindra an-dalana tamin’izay ihany koa ny fanavaozana ny satan’ny mpanankanto, izay tohin’ny efa natao tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ity asa fanavaozana ity dia tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny fandaharanasa sahanin’ny Fitondram-panjakana izay mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny Kolontsaina sy ho fampivoarana ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara. Tsara ho fantatra fa efa ny didim-panjakana laharana 2011-029, ny 25 Janoary 2011 no mamaritra ny satan’ny mpanakanto ankehitriny. Noho ny fivoaran’ny zava-misy sy mba hampidirana ireo mpanakanto amin’ny sehatra ara-drafitra kokoa dia ilaina ny manavao ity Sata maha mpanakanto ity. Nandritra io fihaonana io ihany koa no nanaovan’ny Minisitera “Tatitra isaky ny efa-taona” momba ny Fifanarahana 2005n’ny UNESCO. Tamin’ny ankapobeny, nanan-karena hevitra ny fihaonana. Ary tsara marihana koa fa I Toamasina no anisany toerana be mpanakanto indrindra eto Madagasikara. Nanamafy ny avy eo anivon’ny Minisitera tompon’andraikitra fa hitohy any amin’ny faritra hafa izao dinika fakan-kevitra izao.



