Songadim-baovaoSosialy

KOMANDIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA : Nampatsiahy ny adidy aman’andraikitry ny Zandary eny an-tsehatra

Nitsidika ny tombim-paritry ny zandarimaria ao Mahajanga ny Komandin’ny zandarimaria ny Jly Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert ary namory ireo zandary rehetra miasa eo anivon’ny tobim-paritra, izay tarihan’ny Jeneraly Tsiketa Bernard Dieudonné. Nampatsiahiviny tamin’izany fa ny Zandarimaria dia natao hampianatra aloha, izay vao manasazy. Nandritra ny fanazavana koa no nisaorany ireo zandary rehetra manao ny asa ara-dalàna ary manao ny ainy tsy ho zavatra, izay tsy mandry andro tsy mandry alina amin’ny fanatanterahana ny asany, ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Nanantitrantitra koa ny tenany, amin’ny fitondran-tena mandritra ny fanatanterahana ny asa, satria ny mpitandro filaminana dia miaro ny vahoaka sy ny fananany, ary miaro ho antoky ny fampandrosoana ifotony. Nasongadiny mazava tsara fa ny zandarimaria dia miara-miasa amin’ny vahoaka, mba hisian’ny fandriampahalemana ka manentana hatrany amin’ny fanomezana vaovao marina, ara-potoana.

Asa marolafy…

Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Zandarimariam-pirenena  ny fametrahana sy fitazomana ny fandriampahalemana maharitra. Isan’izany ny ady amin’ny fiparitahana na fitazomanana basy tsy ara-dalàna, izay isan’ny mahatonga korontana sy ny tsy fandriampahalemana.  Ny ady amin’ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-batana varira. Izy ireo mantsy, dia isan’ny mandry tsy lavo loha noho ny afitsok’ireo mpanao ratsy, mpaka an-keriny mampiasa fitaovam-piadiana. Tsy latsa-danja koa ny   ady amin’ny halatr’omby.  Tsapa fa nisy fihenana ary manomboka voafehy miandalana izany amin’izao fotoana izao. Koa mba hitohizan’ny ezaka ataon’ireo mpiantsehatra amin’ny fandriampahalemana, indrindra ny Zandarimariam-pirenena dia mila atao maty paika hatrany ny rindran-damina ampiharina, mba hitazona ny vokatra efa azo. Iray amin’ireny ny fankaherezana ireo Zandary eny an-tsehatra. Eo koa ny ady amin’ny fiparitahana rongony sy ny zava-mahadomelina. Tsy misaraka amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny habibiana etsy sy eroa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ka tsy maintsy andraisana fepetra hentitra sy mitohy.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer