
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
KORANAM-PIANAKAVIANA : Teratany vahiny iray notsatohan’ny jiolahy antsy, volabe 4 500 Euros voaroba
Nisehoana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana tao amina tokantranona teratany vahiny iray manambady vehivavy teratany malagasy tao amin’ny fokontany Sengaloka, anatin’ny distrikan’Ambilobe, ny afakomaly alina lasa teo. Olona dimy no noratrain’izy ireo, ka ilay teratany vahiny iray no naratra mafy voatsatok’antsy, raha vola mitentina 4500 euros no lasan’ireo jiolahy. Roa no tratra hatreto, mitohy ny fikarohana ireo namany…
Nitranga ny tsy nampoizina! Nisehoana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana tao amina tokantranona teratany vahiny iray manambady vehivavy teratany malagasy tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Sengaloka, anatin’ny distrikan’Ambilobe, ny afakomaly alina lasa teo. Raha ny angom-baovao, nahazo antso avy amin’ny sefom-pokontany ao Sengaloka ny eo anivon’ny Zandarimaria, momba ny fisian’ity fanafihana mitam-piadiana ity. Rehefa natao ny fanadihadiana, voamarina tokoa ny fisian’izany nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny zandary tao amin’ity tokantrano ity. Ny sabotsy 2 novambra teo amin’ny tolakandro teo, nividy fitaovana fanamboarana trano tao amina magazay iray ao Ambilobe ity teratany vahiny ity sy ny vadiny niaraka tamin’ireo mpitondra posy nokaramain’izy ireo hitondra ny entany. Ny sabotsy alina, nisy koranam-pianakaviana nataon’izy mivady niaraka tamina fianakaviana vitsivitsy tao an-tokantranon’izy ireo. Tao anatin’io fety io anefa no tonga tampoka ireo jiolahy nisaron-tava niaraka tamin’ny zava-maranitra nanafika ny tompon-trano sady nandroba vola. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny volabe mitentina 4 500 euros tao anaty poketra.
Jiolahy roa voasambotra…
Ny tena mampalahelo tamin’ity fanafihana ity, tsy vitan’ny nandroba fotsiny ireo jiolahy fa tonga tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mihitsy satria noratrain’ireo olon-dratsy ny olona dimy tamin’ireo olona tao an-trano, ka isan’izany ilay teratany vahiny voatsatok’antsy tao amin’ny lamosiny, izay tena naratra mafy tanteraka. Nentina namonjy hopitaly, araka izany, ireo naratra. Nandray ny andraikiny avy hatrany, ny eo anivon’ny fitandroana filaminana. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary ka jiolahy tamin’ireo nanafika no tratra tao Antafiankasaka Ambilobe, omaly tamin’ny 4 ora sy 45 mn maraina. Rah any fanadihadiana natao, ireo mpitarika posy nitondra ny entan’izy mivady ihany no tompon’antoka niaraka tamina jiolahy hafa nanafika azy ireo. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ity tranga fandrobana miharo fandratrana nataon’ireo jiolahy tany amin’ny distrikan’Ambilobe ity.
Rado Harivelo




