PolitikaSongadim-baovao
KORONTANA POLITIKA INIANA VOLENA : Miandrandra fiaraha-mitantana ny Mpanohitra
Mazava ny kisarisary miseho amin’ny tontolo politika ankapobeny eto Madagasikara ankehitriny, fa tsy maharesy lahatra olona intsony ny mpanohitra. Voaporofo izany tamin’ny vokatra nandritra ireo fifidianana samihafa nifanesy. Ankehitriny, fanakorontanana sisa no irika hitan’ny fanoherana fa azo andrombahana ny fahefana rehefa tsy naharesy lahatra vahoaka tamin’ny dingana demokratika voafaritry ny lalàna.
Nilaza ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tao anatina fanehoan-kevitra nataony ny amin’ny hoe « Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fahamarinan-toerana politika ». Ny vondrona antoko politika misy azy koa anefa etsy ankilany namerimberina fa tsy maintsy esorina amin’ny toerany ny mpitondra ankehitriny. Midika ve izany fa fanonganana ny mpitondra ankehitriny, ka hidirana amin’ny tetezamita mba hizarana seza no tena dikan’ny fahamarinan-toerana ara-politika ?
Tsiahivina fa andriamatoa Ravalomanana mihitsy no niteny teny amin’ny coliseum Antsonjombe tamin’ny 2023 fa mila haongana ny Fitondrana. Nanomboka 2009 no nankaty dia tsy nikatsaka afa-tsy izay, noho ny valifaty politika ny Filoha teo aloha sy ny mpomba azy, indrindra ireo « extrémistes » any ivelany.
Maitso ahitra
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Nambarany fa nisy mpandinika raharaham-pirenena efa nilaza fa eto Madagasikara dia fanararaotra mihitsy ny Fahavaratra sy ny vanim-potoan’ny rivodoza. Sahirana mantsy ny olona ary maitso ahitra amin’io : tsy misy loatra ny sakafo ka miaka-bidy ny ankamaroany. Manginy fotsiny ny afitsoky ny rivodoza manimba voly, tanàna, sy ain’olona. Io indrindra no hararaotin’ny mpanohitra hiresahany fa mijaly ny vahoaka malagasy ka mila aongana ny mpitondra dia ry zareo no miakatra mitondra indray. Toe-javatra efa iainana isan-taona izy io hatramin’izay naha tany ny tany fa tsy hoe vaovao tato anatin’ny 3 na 4 taona akory.
Eo alohan’ny volana Mey eo izany dia tena tia mandrangitra vahoaka ny mpanohitra fitondrana. Mifanandrify tokoa amin’ilay daty 13 mai izy io ary izany no nahamora ny nisintonana ny olona hanao grevy tamin’ny 1972.
Fandranitana maro
Eo anatrehan’izany, tsy mahagaga izany ny fandranitana maro be sy fitadiavana mafy izay hikorontanana. « Ary ohatr’izao foana no fandehany : miteny aloha amin’ny hoe hosoka amina fifidianana, dia iny no voizina atao litania, dia miditra an-tsehatra ny syndicats sasany milaza hoe misy an’izao sy izao ka hihetsika, dia manohy ny fiarahamonim-pirenena milaza fa hisy korontana, dia manampy koa ny mpanao gazety avy any ivelany. Ao anatin’izay rehetra izay mandeha ny « campagne de désinformation » sy « dénigrement » ny mpitandro filaminana (miaramila, zandary ary polisy) », hoy ny famakafakan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Ilay hoe « stabilité » na fitoniana anefa ny tena dikany ho an’ny mpanohitra dia mira fiaraha-mitantana sy fanomezana seza azy ireo. Tsy hita ao anaty kajikajy mihitsy izany ny firenena sy ny vahoaka, fa mifototra amina tombontsoa manokana no tanjona.
Ny Fanoratana.


