Songadim-baovaoToekarena

LABIERA VOKARINA ETO AN-TOERANA: Niakatra avo telo heny tao anatin’ny 5 taona ny hetra alaina

Manao antso avo amin’ireo manam-pahefana manoloana ny fiakaran’ny “droits d’accises” ny orinasa Star ankehitriny, orinasa malagasy mpamokatra zava-pisotro. Tao anatin’ny 5 taona, hoy izy ireo, dia niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ny zava-pisotro vokariny ka miteraka fahasahiranana amin’ny fidiram-bolan’ny Malagasy an’aliny izany. Izany hoe teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2025 dia nahitana fiakarany 293% ny hetra alaina amin’ny labiera manokana. Raha toa ka 290 Ariary isaky ny litatra izany teo aloha dia lasa 850 Ariary ankehitriny. Vokatr’io dia niakatra ny vidin’ny vokatra vokarina ka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina intsony.

Manoloana io dia ny lalam-pamokarana malagasy 100% mihitsy no tandindonin-doza, hoy hatrany ny Star. Asa raikitra miisa 3 700 mantsy no ateraky ny fisian’ny orinasa, tantsaha mpamokatra miisa 20 000 no mpiara-miasa, mpanjinjara 350, toeram-pivarotana 25 000, ary mpiara-miasa isan-karazany avy eto an-toerana miisa 1 100, izay orinasa majinika sy salantsalany ny ankamaroany. Ny haratsian’ny varotra naterak’ireo fampiakarana hetra diso tafahoatra ireo dia olana goavana amin’ny fiveloman’ireo sokajin’olona rehetra ireo. “Ny Star anefa dia mitsinjo hatrany ny kalitaon’ny vokatra ka tsy azo nidovirana ny fampiakarana ny vidin’entana. Sahirana ny mpiara-miombon’antoka, tsy mandeha ny tsena ary tontolo ara-toekarena iray mihitsy no amoron-tevana”, hoy ny fanazavana.

Noho io zava-misy io dia miantso fanovàna manodidina ny hetra ity orinasa lehibe mpamokatra zava-pisotro eto Madagasikara ity. Manaiky ny maha zava-dehibe ny fampidiran-ketra ny orinasa kanefa kosa manamafy ny antso amin’ny Governemanta mba hiverina hifampidinika mikasika ny politikan’ny hetra ampiharina. Takian’izy ireo ny fampidinana ny «droits d’accises» amin’ny labiera satria io ihany no lalan-tokana ahafahan’ny rehetra mividy ny vokatra sy mitsinjo ny indostria, hoy ny fanazavana. “Rehefa manohana ny indostria eto an-toerana ny Fanjakana dia manampy amin’ny famoronana asa, fampirisihana ny fampiasam-bola ary ny fampivoarana ara-toekarena”… Fotoana izao isafidianana ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra”, hoy hatrany ny fanentanana.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer