
PolitikaSongadim-baovao
LAFINTANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA : Hatsaraina ny fomba fiasan’ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony
Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Atrikasa Fampivondronanana ny Solontenam-panjakana (Prefet sy Lehiben’ny Distrika) ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Holder Ramaholimasy omaly tao Antsirabe. Tanjon’ity Atrikasa ity ny hifanakalozan-kevitra sy hiara-midinika hanatsarana ny fomba fiasa eny amin’ny lafintany sy ny Minisitera.
Maro ny ezaka tsy maintsy atao eo amin’ny fitantanana ny lafintany ka ilàna hitondrana vahaolana. Betsaka ny olana hatrehan’ireo solontenam-panjakana, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Ireny olana ireny dia miantraika mivantana amin’ny vahoaka rehefa misy tsy fandehanan’ny asa. Araka izany, dingana iray hitadiavana vahaolana ny fanaovana atrikasa satria ho henoina ny olana mba hanatsarana ny fomba fiasa. Nohamafisiny fa « ireo Solontenam-panjakana ireo dia solontenam-panjakana eny amin’ny Faritra, solontenan’ny Praiminisitra sy ny Minisitra, mitarika ny rafitra mikarakara ny lafin’ny fandriam-pahalemana ary mandrindra ny asan’ny fitaleavam-paritra ».
“Tsy handroso Madagasikara raha tsy mandroso ny eny ifotony”
Omaly, tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Atrikasa Fampivondronanana ny Solontenam-panjakana (Prefet sy Lehiben’ny Distrika) ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Holder Ramaholimasy tao Antsirabe. Atrikasa izay hifarana anio. « Fanamafisana ny anjara asan’ireo tompon’andraikitry ny lafintany manoloana ireo fanamby amin’ny fahafaha-miatrika amin’ny maha-mpisehatra ny fisandratana azy » io no loha-hevitra nosafidiana nandritra izao Atrikasa izao. Tanjon’ity Atrikasa ity ny hifanakalozan-kevitra sy hiara-midinika hanatsarana ny fomba fiasa eny amin’ny lafintany sy ny Minisitera.
« Matoa notanterahina ny dinika tahaka izao dia hanova zavatra indrindra amin’ny fomba fiasa mba hisy fanamboarana sy fanatsarana. Tsy handroso Madagasikara raha tsy mandroso ny eny ifotony ary tsy mandroso ny eny ifotony raha tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny fomba fiasa » hoy hatrany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Holder Ramaholimasy. Dingana iray hitadiavana vahaolana eo amin’ireo Solontenam-panjakana ny Atrikasa tahaka izao. Tao aorian’ny lanonam-panokafana dia niroso avy hatrany tamin’ny fifanakalozan-kevitra ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ireo Solontenam-panjakana ireo.
Mba hijerena hatrany ireo olana eny ifotony dia ny alatsinainy 08 sy 09 oktobra 2021 izao no ho tanterahina ny fihaonanan’ny Governora sy ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna andrenivohitra sy ambanivohitra manerana an’i Madagasikara.



