Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LAKANA NIVADIKA: Enina mianaka indray maty natelin’ny rano, iray tsy hita popoka

Hita faty tao anaty ranon’Alaotra, andrefan’ny tanàna Vohitsivalana, kaominina ambanivohitra Imerimandroso, ny fatin’ i Jacquis, izay monina ao amin’ny fokontany Marovato, kaominna Imerimandroso, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Raha ny loharanom-baovao azo, ny 16 jona  ity farany no nitondra olona tamin’ny lakana ho an’ny Ampitandrefana, ka raha niverina dia nitondra olona eo amin’ny fito na sivy avy any Ankitsika, kaominina ambanivohitra Beanana, distrikan’Amparafaravola, handeha ho any Ambohijanaharikely. Tsy tonga ara-potoana anefa izy ireo, ka raikitra ny hazolava. Ny androtr’io, dia ny fatin’ny mpitondra lakana ihany no hita fa ireo nentiny mbola karohina. Niara-misalahy ny Zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita. Tonga teny an-toerana ny Komandy ny vondron-tobim-paritra ary ny Borigadin’ Imerimandroso nisahana ny raharaha. Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora no hita ny efatra tamin’ireo razana, ka vehivavy ny roa, raha ankizy fito taona sy efa-taona, izay samy zazalahy.

Tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro indray, dia hita ny razana iray fanindiminy, izay zazavavy 13 taona. Marihina fa ireto maty ireto dia fianakaviana iray, ka ity mbola tsy hita, izay antsoina hoe R. Jules, 36 taona no rain’ireo zaza maty ireo. Mbola tsy fantatra mazava ny nahatonga ny loza. Ny zava-misy raha ny filazan’ireo tompon-tany dia masiaka ny rano amin’ny vanim-potoana toy izao.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer