Songadim-baovaoSosialy

LAKANDRANON’I MOZAMBIKA: Mihena ny herijika hivadihan’ilay andro ratsy ho rivodoza

Tamin’ny 09 ora maraina omaly dia tany amin’ny manodidina ny 376 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foiben’ilay faritra andro ratsy miforona ao amin’ny  lakandranon’i Mozambika. Mbola malefaka hatrany ny heriny. 45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 60 Km/ora anaty oram-baratra. Nikisaka nianatsimo Atsinanana izy ka nahafaka 10 Km/ora. Notombanana hikisaka mianatsimo somary Atsimo Atsinanana izy ato anatin’ny 2 andro manaraka ary mihena ny herijika hitomboany hery ho lasa rivodoza. Na izany aza dia mbola hitondra rotsak’orana betsaka amin’ny faritra Andrefana, Atsimo Andrefana ary Atsimon’ny Nosy izy mandritra izay fotoana izay.

Foana ny filazana loza voarain’ireo Distrika voakasik’izany. « Iangaviana kosa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Besalampy hatrany Faux Cap mba hitandrina mafy na tsy hiandriaka aloha satria mikorontana ny toetry ny andro », hoy ny teo anivon’ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Vina mandritra ny herinandro

Koa satria efa hihena tsikelikely ny herin’ilay andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ato anatin’ny telo andro manaraka, dia tsy hisy fiforonana rivodoza hahakasika mivantana ny Nosy amin’ity herinandro ity. Ny tsiokan’ny talio no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny.   .

Raha vinavina kosa dia hisy oram-baratra mitsitokotoko any amin’ny ilany Avaratra Andrefana, Andrefana ary Atsimon’ny Nosy amin’ity herinandro ity. Ho maina kosa any an-kafa. Hisy tandrifindrahona ihany koa any amin’ny afovoan-tany ary ny ilany Avaratra Atsinanana sy Afovoany Atsinanana ny faran’ny herinandro.

Hiakatra tsikelikely ny maripana ambony mandritra ity herinandro ity any amin’ny ilany Afovoany Atsinanana sy Avaratra Atsinanan’ny Nosy. Manodidina ny 16  – 27°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny  27 – 37°C ny tolakandro.

Nangonin’i Randriah.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer