Non classéPolitikaSongadim-baovao

LALAM-PIRENENA FAHA-13 : Andalam-pahavitana ny mampitohy an’Ambovombe sy Taolagnaro mirefy 114 km

Nihazo ny RN13 avy hatrany ny Filoham-pirenena, taorian’ny asa sosialy natao tao Amboasary, omaly. Izy tenany mihitsy moa no nitondra ny fiara niainga avy eo Amboasary, ary nandimby azy teny ny vadiny. Ny anton’izao fidinana izao moa, dia ny hijerena ny fandehan’ny asa ao amin’ny RN 13. Kely sisa dia vita tanteraka ny asa, raha ny manelanelana an’Ambovombe mandalo Amboasary ka hatrany Taolagnaro. Nanamarika ity fitsidihana ity moa, ny hafalian’ny mponina tamin’ny tanàna nandalovan’ny fiaran’ny Filoha. Maro no nisaotra azy. An-dalam-pamaranana ankehitriny ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe mirefy 114 km, raha nampijaly ny vahoaka hatramin’izay. « Ny asa natomboka dia tsy maintsy vitaina ary ho fitaratry ny fampandrosoana ny Faritra Atsimon’ny Nosy raha hadino foana hatramin’izay », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Nandritra ny lahateniny, nanambara izy fa efa voavaha sy ho tanteraka tsy ho ela ireo olana naharitra ela teto amin’ny faritra Atsimo. Anisan’izany ny fanamboarana an’ilay lalampirenena RN13, izay tsy vita hatramin’izay. Izao dia efa madiva hifarana izany RN13 izany, ary efa hotokanantsika afaka fotoana fohy izany.” Nambarany fa tsy ny RN 13 ihany no hamboarina, fa ho atao vita tara avokoa ny lalana miala avy any Betroka hatrany Ikalamainty. Ny RN 10 koa, dia efa hapetraka ny vatofototra any Ampanihy. “…ho atombontsika ary ho ataontsika « goudron » iray manontolo ny RN10 », hoy hatrany ny Filoha nanazava.

Teny am-pamaranana ny kabary tao Amboasary Atsimo, dia nametraka hafatra  ny Filoha ka nilaza fa «  mitodika aty Atsimo ny Fampandrosoana. Mitsoka avy aty Atsimo ny rivotry ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Milaza aminareo aho fa afaka telo taona dia ho hitanareo taratra ny fiovana tanteraka eto Amboasary, indrindra aty amin’ny tapany Atsimo iray manontolo. Efa mazava ny lalantsika mankany amin’ny  fampandrosoana ».

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer