PolitikaSongadim-baovaoSosialy
LALAM-PIRENENA FAHAROA: Hanomboka amin’izay ny asa fanamboarana
Ny Alahady 08 Aogositra 2021 teo no efa nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ny hanamboarana ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Araka izany, natomboky ny Filoha tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina, tao Tanandava Toamasina ny fanamboarana ity lalam-pirenena ity, izay mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo . Nampitaraina mafy ny mpampiasa lalana ny fahasimban’ny RN2 ka tonga nijery akaiky ny lalana mihitsy ny Filoham-pirenena.
Miantoka ny toekarena sy ny fiainan’ny vahoaka malagasy manontolo ny lalam-pirenena faharoa noho i Toamasina ahitana seranan-tsambo mpamatsy an’Antananarivo sy i Madagasikara iray manontolo. Misy fiantraikany amin’ny fiainana sy ny vidim-piainana, araka izany, ny faharatsian’ny lalam-pirenena faharoa. Mitombo ny ora lany amin’ny fandehanana amin’ny lalana simba. Mitombo koa ny solika lany. Tafakatra ora folo eo ny mandeha miainga Antananarivo hatrany Toamasina raha toa ka ora enina izany teo aloha. Noho izany indrindra no tsy maintsy hanamboarana haingana ny lalam-pirenena faharoa.
Lalana vita haingana sady tsara kalitao
Araka ny fanazavana dia mizara telo ny fanamboarana. Misy ny miainga ao Brickaville mitohy ho any Toamasina, eo koa ny miainga ao Ampasamadinika mankao Toamasina ary ny ao Toamasina. Hentitra kosa ny Filoha amin’ny orinasa manao ny asa mba ho asa vita haingana sy tsara ary maharitra ny lalana vita. Anisany takian’ny Filoha ny hanaovana ho lalana béton ny lalana any amin’ny Faritra Atsinanana noho ny toerana mandon’ny ora lava. Takiany ihany koa ny hametrahana mazava ny lalana fivoahan-drano amin’ny lalana amboarina. Mitarika fahapotehan’ny lalana haingana ny rano miandrona, hoy izy. Nametraka toromarika ihany koa ny Filoha ny hanaovan’ireo orinasa antoka ny fanamboarana ny lalana ka raisin’izy ireo an-tanana avy hatrany ny fanamboarana ny lalana nataony raha vao simba latsaky ny roa taona, izay fepotoana napetraka, ny lalana. Tsy ekena ny fanamboaran-dalana isaky ny herintaona na ny roa taona, hoy ny Filoha.
Fiarabe mitondra entana mihoampampana
Tetsy ankilany, hentitra ny Filoha amin’ireo fiarabe mpitatitra minia tsy manaja ny fetra lanja takiana amin’izy ireo. Anisany miteraka haingana ny fahapotehan’ny lalana ny vesatra mihoampampana ataon’ny fiara be. Nitsian’ny Filoha, araka izany, ny karazana kolikoly amin’ny fandanjana ny fiara vaventy mpitatitra mandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa. “Vola an’aliny na an’hetsiny risoriso aloan’izy ireo no miteraka fandaniana volam-panjakana amina miliara rehefa manamboatra lalana”, hoy izy. Nanome baiko, noho izany, ny Filoha mba ho olona tsy manao kolikoly no hanao ireny fandanjana fiara lehibe ireny. Misy fiatraikany amin’ny fiainam-bahoaka manontolo mpampiasa lalana ny kolikoly ary manaratsy endrika ny Mpitondra, raha ny nambarany.
Ny Filoha izay namarana ny diany tao Toamasina tamin’ny fitokanana ny lalana rocade « firaisankina » mirefy 6,5 km mampitohy an’i Barikadimy Toamasina hatrany Mon letchis amin’ny lalampirenena fahadimy. Ho tonga hatrany Foulpointe sy Fenoarivo- Atsinanana araka izany ny lalana. Hanamora ny fifamoivoizana sy ny fitohanana ny fiara ary ho rocade manarapenitra ho an’i Toamasina. Hisy jiro mandeha amin’ny herin’ny Masoandro ny lalana hivezivezena amin’ny alina.


