Songadim-baovao
LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO – TOAMASINA : Hitondra fandrosoana ara-toekarena sy ara-sosialy ary hampiray ny Faritra telo
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina. Vahaolana nentin’ny Fitondram-panjakana manoloana ny fitomboan'ny fiara mivezivezy amin'iny lalam-pirenena faharoa iny, indrindra ireo fitaterana entana avy any Toamasina izay efa mihoatra ny vesatra araka ny tokony izy. 850 tapitrisa dolara ny tentim-bidin'ny fanamboarana ny lalambe migodana…

Pejy vaovao ho an’ny tantara no niseho ny sabotsy lasa teo, izay nanamarika ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana, mirefy 260km mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina. Nanomboka izany tao Ambolo, Talata Volonondry ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Ny fanamboarana ny lalambe migodana dia vahaolana nentin’ny Fitondram-panjakana manoloana ny fitomboan’ny fiara mivezivezy, amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Indrindra indrindra ireo fitaterana entana avy any Toamasina, izay efa mihoatra ny vesatra araka ny tokony ho izy ka mahatonga ny lalana ho simba sy potika hatrany isan-taona. Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny tsy maintsy hanaovana ity lalambe migodana ity, izay hiainga eo Tsarasaotra hihazo an’i Sabotsy Namehana – Ambohimanga Rova -Talata Volonondry – Anjozorobe ary hivoaka any Andaingo, hihaona amin’ny lalam-pirenena faha-44 ary hitohy hatrany Toamasina. Ho atao ao anatin’ny adiny roa ora sy sasany monja izany lalany izany rehefa vita tanteraka. Hitondra fandrosoana ara-toekarena sy ara-sosialy ary hampiray ireo Faritra telo. Tafiditra ao anatin’izany ny Faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Antsinanana, izay holalovany ny fahavitan’ity tetikasa lehibe ity. Ny orinasa ejiptianina Samcrete, izay orinasa manana ny traikefa sy ny lazany maneran-tany amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana tahaka ity no hanatanteraka ny asa.
Madagasikara ho lasa maoderina

Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny hoe « Madagasikara ho lasa maoderina », ary ny tanjona dia ny ho lasa fitaratra eto amin’ny Ranomasimbe indiana ny Firenena malagasy. « Tsy ny anarako no tiako hitoetra, fa ny asa sy ny fotodrafitrasa ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby no tiako hitoetra eto amin’ny firenena » hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina nanditra ny kabariny. Ahitana toeram-pandoavam-bola (station de peage) miisa enina, toerana fakana aina telo ary « carrefour » fihaonan’ny lalana vaovao sy ny RN44. Ametrahana, fakan-tsary andrimaso, radara, sns. Toerana miisa 11 no hanaovana fanotorana. Ny Laboratoaram-panjakana no mandray an-tanana ny fijerena ny fenitra rehetra. Lalana mifanaraka amin’ny fenitra ara-teknika sy iraisampirenena no tanterahina. Haharitra efa-taona ny faharetan’ny asa fanamboarana. Raha ny fanazavana, ny 80 km no ezahina hotanterahina alohan’ny faran’ny taona 2023, raha ny voalaza tamin’ny volana novambra.
Manodidina ny 15.000 Ar ny vola aloa….

Manamarika ny tantaram-pirenena ny 3 desambra 2022, raha ny navoitran’ny Filoha, nandritra ny lahateniny. Tsy niandry ela ny Fitondram-panjakana fa vao tamin’ny 3 novambra no vita ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, tamin’ny orinasa Samcret dia miditra amin’ny asa avy hatrany isika ny 3 desambra ». Hitondra tombontsoa ara-toekarena ho an’ny firenena, araka izany, ity lalambe migodana ity araka ny efa nambara ombieny izany. Hihena ny faharetan’ny dia, raha hatramin’ny 10 ora izany tany aloha dia ho vita ao anatin’ny ora roa monja. 850 tapitrisa dolara ny tentim-bidin’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana, raha miampy ny hetra izay, dia tafakatra 924 tapitrisa dolara ny tentim-bola sy ny tentim-bidy hanaovana azy manontolo. « Manodidina ny 15 000 ariary ny vola aloa ho an’ny fiara kely raha 20 000 ariary ho an’ny fiara vaventy, amin’ny fampiasana ny lalambe migodana », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, Jerry Hatrefindrazana.




