PolitikaSongadim-baovao
LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO – TOAMASINA: Ho apetraka tsy ho ela ny Vato fototry ny asa fanamboarana
Fanambin’ny Filoha Andry Rajoelina ho vahaolana ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Araka ny angom-baovao dia ho apetraka, afaka andro vitsy, ny vato fototry ny asa fanamboarana ity “Autoroute” ity. Raha tsy misy ny fiovana ny Filohan’ny Repoblika no hitarika izany lanonana izany ao amin’ny Fokontany Ambolo, Talata Volonondry izay toerana hametrahana ny Vato fototry ny asa fanamboarana ny “Autoroute”, araka ny fanazavana. Nialoha izany, nisy omaly ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga, notarihin’ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy, tany amin’ity Fokontany ity. Nandritra izany, nisy ny lanonana ara-pomba nentin-drazana tamin’ny alalan’ny famonoana omby mazava loha, araka ny fangatahan’ny fokonolona mba ho tso-drano. Teo koa ny fifampiresahana tamin’ireo solontenam-pokonolona tany an-toerana.
Araka ny fantatra dia efa nisy koa ny fidinana ifotony nataon’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. « Alohan’ny fanombohan’ny asa dia misy ny fifampiresahana. Nisy fangatahan’ny olona teo toy ny jiro sy ny Ceg. Tonga dia hataon’ny Faritra Analamanga izany ary ao anatin’ny tetibola amin’ny taona 2023. Misy asa maro hafa toy ny fanatsarana fambolena amin’ny hanomezana zezika izay tsy iandrasana ny Filohan’ny Repoblika« , hoy ny Governoran’ny Faritra Analamanga, raha niresaka momba ireo fangatahan’ny mponina voakasiky ny asa fanamboarana. Ny tenany izay namaly ihany koa ireo tsaho iniana aely milaza fa 100 metatra havia sy havanana no voakasika amin’ny fanamboarana ilay lalambe migodana. Eo koa ny filazana fa hototofana daholo ny tanimbary, sy ny sisa. “Tsy mitombona izany”, hoy ny Governoran’Analamanga, satria 15 metatra havia sy havanana na mihoatra kely no ho voakasika.
Nohamafisin’ny Ben’ny tanànan’i Talata Volonondry, Randrianirina Hobierison, fa efa miezaka manome fanazavana ny vahoaka ny Fanjakana, ary tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Noho ny fikitihana ireo asa fiveloman’ny vahoaka an-toerana fotsiny, dia angatahan’izy ireo amin’ny Filoham-pirenena ny hanafainganana ny fanonerana sy solony amin’ny tanimbary ary voly voakitika.




