Songadim-baovaoToekarena

LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO-TOAMASINA : Ho voarakotra tara mialohan’ny fihaonamben’ny SADC ny 8Km

Fomba fiasa napetraky ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP) ny fanaovana fanaraha-maso isam-bolana ny asa fanamboarana ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina. Vina napetraka ny hanamafisana ny hafainganam-pandehan’ny asa atao eny an-kianja, miara-dalana amin’ny fahazoana vokatra tsara kalitao sy manaraka ny fenitra. Ho fanatrarana ireo vina ireo dia lasa nampitomboana in-droa na in-telo isam-bolana, tato anatin’ny roa volana izao, ny fanaovan’ireo tompon’andraikitra fanaraha-maso ny hafainganam-pandehan’ny asa. Tamin’ny talata lasa teo dia ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore no nitarika ny fidinana ifotony, niaraka tamin’ireo ekipa tekanisianina avy amin’ny Ministera sy ny solotenan’ny orinasa SAMCRETE mpanatanteraka ny asa.

Nivoitra tamin’izany fa mandroso ny asa fanamboaran-dalana. Tanjona fohy ezaka nofaritana ny tsy maintsy hahavitan’ny 8 kilometatra voalohany amin’ny lalambe migodana. Hotratrarina mialohan’ny fahatongavan’ny fihaonana an-tampon’ny SADC amin’ny volana aogositra ho avy izao ny fandrakofana tara io ampahan-dalana io. Ho fampitomboana ny vokatra ato anatin’ny iray volana, araka izany, dia navondrona sy nohamafisina ny paikady reheta efa nampiharina hatramin’izay. Anisan’izany ny fampitomboana ny isan’ireo «sous-traitants» sy ny fifanarahana mifandraika amin’izany. Eo ihany koa ny fampitomboana ny ora fiasana, na atoandro na alina, hahafahana mahazo vokatra tsara isan’andro. Tsy adinoana ny fampitomboana ny fotoana iasan’ireo teknisianina injienera avy ao anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ireo iraka mpanara-maso (mission de contrôle), mba ho eny an-toerana foana na «en permanence».

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer