PolitikaSongadim-baovaoToekarena
LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO-TOAMASINA: Tsy maintsy vitaina mialoha ny faran’ny taona 2025 ny ampahany 80 km
Nidina ifotony nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ny Filoha Rajoelina Andry, omaly. Teny Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, izay misy ny Pk 0, na ny fiandohan’ity lalambe migodana ity no nanombohany izany, mialohan’ny nihazoany an’i Talata Volonondry. Niara-dia taminy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, ny minisitry ny Asa vaventy, ny Governoran’Analamanga sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy. Notsindrian’ny Filoha, Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany « fa izay toky nomena dia tsy maintsy tanterahina. Izay asa vita atomboka dia tsy maintsy vita. Raha miainga eo amin’ity PK0 ity, hatrany Ambolo – Talata Volonondry, izay toerana nanombohana ny asa, herintaona lasa izay, dia mirefy 18 km ity ampahan’ny lalambe migodana avy eo Ambodifasina ity. Ny asa fanamboarana miainga eo Ambolo kosa, dia mandroso ihany koa ary efa 30 km mahery ny vita fanotofana ». Nanome toky araka izany i Rafidison Richard, minisitry ny Asa vaventy, fa ho tratra ny tanjona napetraky ny Filoha, dia ny famitana ny 80 km voalohany mialohan’ny faran’ny taona 2025. Ity lalambe migodana Antananarivo – Toamasina ity moa izay mirefy 260 km, ary miampy ilay 18 km miainga eo Ambodifasina hatrany Ambobolo Talata Volonondry.
Vokatsoa marolafy no ho azo…
Hitondra voka-tsoa ho an’ny tontolo iainana sy ny toekarena izy ity. Satria hihena ny fandaniana solika ho an’ireo fiara, indrindra ireo fiara vaventy mpitatitra entana. Hihena, araka izany, ny fandaniana. Ny fahasimban’ny fiara koa dia hihena. Ary indrindra ny fotoana ho lany eny an-dalana. Ho an’ny fiara kely dia azo atao ao anatin’ny adin’ny 2 ora sy 30 mn ny zotra Antananarivo – Toamasina rehefa vita ny lalambe migodana. Manantombo kelin’izay fotsiny, ho an’ny fiara mpitatitra entana. Ho maro kokoa, araka izany, ny fivezivezena azo atao, ary ho maro kokoa ny entana azo taterina. Hihena koa ny ambana amin’ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana izay matetika misy eny amin’ny RN 2 ankehitriny.
Maro ny olona tonga nanotrona ny Filoha Rajoelina nandritra ity fijerena ny asa teny Ambodifasina ity. Nifandrobahana ny niarahaba sy naka sary miaraka aminy. Notsindrian’ny minisitry ny Asa vaventy fa matoa tonga marobe ny vahoaka, izay mponina manodidina an’Ambatolampy Tsimahafotsy sy Ambohimanga, sy ireo toerana lalovan’ity lalambe migodana ity dia mankasitraka ny asa izy ireo. Ny fanombohan’ny asa miainga eo Ambodifasina, ny 15 oktobra lasa teo mantsy, dia nialohavan’ny fakàna ny hevitry ny vahoaka, ny fifampiresahana amin’izy ireo mahakasika ny toerana sy ny tany ho lalovan’ny tetikasa.
Teo koa ny fametrahana ny fanajana ny fenitra ara-tontolo iainana sy ny fenitra ara-teknika. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asa vaventy, nezahina ny tsy handalo tanimbary ny asa. Araka izany, miala eo amin’ny Pk 3, dia efa miala ny tanimbary ny zotran’ilay lalambe migodana, miainga eo Ambodifasina. Misintaka ny vohitr’Ambohimanga Rova koa izany lalana izany. Ity vohitra ity izay ao anatin’ny harem-bakoka iraisam-pirenena.
Fitaovana raitra no nampiasaina
Ny orinasa ejipsianina Samcrete no manao ny asa fanamboarana ny lalambe migodana Antananarivo – Toamasina. Izy izay isan’ny sangany amin’ny fotodrafitrasa lehibe eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Isan’ny nohazavaina nandritra ity fijerena asa ity ny fampiasana fitaovana raitra anafaiganana ny asa. Fitaovana antsoina FDR izy ity. Raha ny fanazavana dia “robot” na “engin” afaka manao asa efatra indray maka izy ity. Ohatra amin’izany ny fanamboarana simenitra, ny fanafangarona izany amin’ny tany, ny famendrahana azy, ny fanamandoana ny tany, sy ny fanamainana azy. Izany rehetra izany dia ahafahana mahazo tany mafy sy marina tsara. Raha amin’ny fitaovana mahazatra dia ilaina fotoana maharitra ireo asa notanisana ireo.
Rado Harivelo




