Songadim-baovao
LALANA AMBILOBE – VOHEMAR : Efa vita ny 30%-n’ny asa
Heritaona aty aoriana. Vita ny 30%-n’ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar. Efa mandeha ny “Terrassement” 50 km miala ny Vohemar, sy 50 km miala avy any Ambilobe. Vinavinaina ho vita mialohan’ny faran’ny taona kosa ny 50km ambiny. Aorian’ny fetin’ny taom-baovao kosa no hiditra amin’ny fanaovana tara. Nitsotra ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy, fa nisy fahatarany ny asa noho ny valanaretina Covid-19…
Isany fampanantenana goavana nataon’ny Filoha tamin’ny vahoakan’Ambilobe sy Vohémar iny ny hamitana ny lalam-pirenena faha-5A. Ity ampahan-dalana izay efa nampijaly ireo mpampiasa azy an-taonany maro. Ary tsy vitsy ireo mpitondra nifandimby no nanome toky ny hanamboatra izany kanefa dia nijanona ho fampanantenana poakaty izany. Ankehitriny, miroso ny asa fanamboarana, ary nidina ifotony nijery ny firoson’ny asa tany an-toerana ny Filoha mivady omaly. Fantatra nandritra izany fa 30 %n’ny terrassement no vita ankehitriny, izay tanterahin’ny orinasa China Road and bridge Corporation na ny CRBC. Nisy hatrany ny ekipa nanao ny asa fanamboarana na nisy aza ny aretina covid-19 teto Madagasikara ary saika tavela tany Chine avokoa ireo teknisianina manao ny asa. Nanazava ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, fa efa mandeha ny “Terrassement” 50 km miala ny Vohemar, sy 50 km miala avy any Ambilobe. Vinavinaina ho vita mialohan’ny faran’ny taona kosa ny 50km ambiny. Aorian’ny fetin’ny taom-baovao kosa no hiditra amin’ny fanaovana tara ny lalana.
Hafainganina ny asa
Nanome toromarika manokana ny hanafainganana ny fanatanterahana ny asa ny Filoha raha niresaka tamin’ny teknisianina. Baiko napetrany ny hamitana manontolo ny RN5A mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2021. Tetsy ankilany, nilaza hanao ny ezaka hamitana ny asa ao anatin’ny fanajana ny kalitao ny orinasa CRBC. Marihana fa mpiasa malagasy manodidina ny 800 no miasa ao anatin’ny tetikasa fanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy A. Raha 100 kosa ireo mpiasa sinoa. Ary manodidina ny 400 ireo fitaovana miasa hanaovana ny asa. Nandeha ny asa fa tsy araky ny resabe nandeha. Nambaran’ny Filoha ihany koa fa hihazakazaka ny fampandrosoanany Faritra avaratr’i Madagasikara. Tsy hisy hahasakana ny fampandrosoana hoy ny Filoha. Hanomboka ny herinandro ho avy izao ihany koa ny tolobidy ho an’ny fanamboarana ny lalana Ambanja – Antsiranana.
Notolorana “Ambulance” ny hopitaly
Nanomboka tao amin’ny distrikan’i Vohémar, araka izany, ny fitsidiham-paritry ny Filoha Andry Rajoelina sy ny vadiny ao anatin’ny Faritra Sava. Nijery ny fambolena lavanila ao amin’ny orinasa Floribis ny Filoha raha vao nigadona ny distrika. Nisy avy eo ny fitsidihiny ny Hopitalin’ny distrikan’i Vohémar izay nanolorany ny Fiara mpitondra marary sy fanafody hiadiana amin’ny valanaretina Covid- 19. Fantatra fa miisa. 12 ireo mararin’ny Covid-19 ka ny 10 efa sitrana avokoa ary miisa 2 ireo mbola manaraka fitsaboana. Ny 2 jolay 2020 no nahitana trangana coronavirus voalohany tao amin’ny hopitaly. Ankoatra izay, nahazo ny anjara fanampiana vatsy tsinjo iatrehana ny vokatry ny aretina covid-19 ihany koa distrikan’i Vohémar omaly. Nanolotra izany ny Filoha mivady. Ny Vadin’ny Filoha, Mialy Rajoelina, tamin’ny alalan’ny Association Fitia, izay nanolotra milina fanjairana sy fitaovana fanaovana zaitra ho an’ny fikambanam-behivavy.
Jiro manazava ny tanàna
Nanolotra ny jiro « cobra » miisa 20 entina hanazava ny tanana ho an’ ny Kaominina Vohémar ihany koa ny Filoha ary nampanantena ny hanavao ny tranompokolona sy ny Biraon’ny Kaominina. Nihaino manokana ny fitarainan’ireo Ben’ny Tanana miisa 19 ao anatin’ny distrikan’i Vohémar ihany koa izy ary nanome azy ireo jiro hazavana ho an’ny rehetra. Nampanantena ny Filoha fa hiitatra ho tonfa isaky ny kaominina ny fizarana ny Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ka hiara-hiasa amin’ny Ben’ny Tanana ny fanjakana amin’ny fitsinjarana izany. Mbola hitohy rahampitso ny fitsidiham-paritra ataon’ny Filoha mivady ao SAVA ao amin’ny distrikan’i Antalaha sy i Sambava. Isany hisongadina amin’izany ny paikadiny ho fampiroboroboana ny vokatra lavanila.
Epp Manarapenitra
Taorian’izany, nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny Epp manarapenitra ao Antanimbarinandriana Vohémar ny Filoha Andry Rajoelina. Ho vita amin’ny farany volana novambra 2020 ny asa rehetra araka ny fanazavan’ny teknisianina misahana ny asa. Mitaky asa mafy sy kalitao amin’ny teknisianina kosa ny Filoha. Hiova ny fijery ny sekolimpanjakana manomboka izao raha ny fanambin’ny Filohampirenena. Ho lasa fitaratra ny sekolimpanjakana manomboka izao, hoy izy, amin’ny hatsaran’ny fotodrafitrasa. Tahaka ny tany ny Epp manarapenitra any amin’ny faritra hafa, dia ahitana Kianja synthétique, efitrano fianarana manarapenitra, toerana famiakana boky sy fitaovana manarapenitra ny Epp rehefa vita.




