Songadim-baovaoSosialy
LALANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Ho vitaina mialohan’ny fetin’ny Paska ny fanamboarana
Mitaraina avokoa ireo rehetra mampiasa ny lalana eto an-drenivohitra ankehitriny, noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, na dia efa ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra aza isika. Antony mahatonga io fitohanana io ny asa fanamboarana ampahan-dalana maro eto an-drenivohitra. Toerana nahitana izay fitohanana izay omaly ny teny amin’ny manodidina an’Anosy, Soanierana, Ankadimbahoaka, By-Pass, Ankorondrano sy ny maro hafa.
Andro vitsy sisa dia hifarana ireo asa fanamboaran-dalana ireo, araka ny fampahafantaran’ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP) omaly. Nambaran’ny Minisitra Rafidison Richard Théodore fa toromarika avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy fampanantenana nomeny ny tokony hamitana ireo asa fanamboaran-dalana rehetra eto an-drenivohitra mialohan’ny fetin’ny Paska. Ankilany, manome toky ireo orinasa manatanteraka ny asa eny an-kianja fa ho tratra io fe-potoana nofaritana io.
Taorian’ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny alarobia alina lasa teo, araka izany, nidina an-kianja ny Minisitry ny Asa Vaventy, niaraka tamin’ireo teknisianina, nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboaran-dalana eto Antananarivo. Hentitra amin’ny fanajana ny kalitao sy ny fenitra mantsy ny Mnistera. Tanjona ny hananana lalana maharitra holovain’ny taranaka mifandimby. Nanaovana io fitsidihana io ny asa mandeha eny Ankorondrano. Zava-dehibe ny fanaraha-maso mivantana ny asa, indrindra ireo lalana be mpampiasa, toy io “Route des Hydrocarbures” eny Ankorondrano io. Lalana ifamezivezen’ireo fiara vaventy mpitondra solika, manana lanja mavesatra mihoatra ny 40 taonina, ka hamafisina amin’ny alalan’ny akora manokana ny fanamboarana azy. Ankoatra ny teny Ankorondrano, nojerena koa ny lalana teny Andohalo, ny teny amin’ny Rocade Iarivo, By-pass ary ny teny Soanierana. Ireto roa farany izay mbola tao anaty fanamboarana ihany koa nandritry ny alina nandalovana teny.
S.S




