PolitikaSongadim-baovao

LALÀNA MIFEHY NY TETIBOLAM-PANJAKANA 2023: “Tsy voatery hisy fanitsiana”, hoy ny Praiminisitra

Nanaitra ny mpanara-baovao ny nahita ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, natao ny alarobia 07 jona 2023 lasa teo, izay nilaza fa tsy hisy ny fanitsiana ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana amin’ity taona 2023 ity, na ilay antsoina hoe LFR 2023. Nanambara ny Praiminisitra omaly fa ny LFR 2023 dia tsy zavatra tsy maintsy atao akory. Nahatsapa ny Governemanta fa azo arindra ny tetibolam-panjakana efa mihatra ankehitriny ka tsy ilàna fanaovana ny fanitsiana, izay hampiato indray ny fampiasam-bolam-panjakana.

Tsy nasiana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana tamin’ity taona ity. Araka ny tatitra, izany fanitsiana izany dia mitaky fanajanonana ao anaty fotoana voafetra ny fampiasam-bolam-panjakana satria ilaina raiketina ny antontan’isa avy ao amin’ny Lalàna mifehy ny tetibola izay iasana ankehitriny ka afindra mankao amin’ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Ny fotoam-piasana anefa efa fohy ka tsy afaka intsony ny Fanjakana ny hanajanona ny fampiasam-bola sao hanatara ny fanatanterahana ireo fandaharanasa maro izay mbola miandry. Noho izany, ho an’ireo minisitera na andrim-panjakana izay mety hangataka vola fanampiny, dia misy fomba voalazan’ny lalàna ahafahana manao izany amin’ny alàlan’ny didimpanjakana raisina amin’ny Filankevitry ny Governemanta ary mbola manana fahafahana ara-tetibola anaovana izany ny Fitondrana.

Araka ny tatitra, tamin’ny faha 2 jona 2023, dia 48% ny tahan’ny fampiasam-bolam-panjakana, noho izany, mbola manana 52% azo ampiasana mandrapahatongan’ny faran’ny taona ny Fanjakana. Ny fandaniana tafiditra ao anatin’ny sokajy “Projet d’investissments publics” na PIP kosa, dia mbola 10% no mbola voatokana holaniana hatreto, izany hoe mbola misy 90% azo ampiasana hatramin’ny faran’ny taona. “Ny sorabola misoratra anaty tetibolam-panjakana dia azo ahetsika ao anatina Minisitera iray na eo amin’ny Minisitera samy hafa (mouvement de credits) araky ny fepetra takian’ny andininy faha 19 ao amin’ny lalàna 2004-007 tamin’ny 24 jolay 2004 momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Noho izany dia manana fahafahana ireo Ministera rehetra mandamina ny fampiasam-bolany araky ny lalàna”, hoy ny Filankevitry ny Minisitra. Ankoatra izay, mikasika ny fanampiana ara-bola voaray avy amin’ny mpiara-miombona antoka (appui budgétaire) toa ilay ho voaray avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena kosa, izay tokony hisoratra ao amin’ny fidiram-bolam-panjakana ao anaty Tetibola dia tsy ilana fanoavana Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana intsony amin’ity taona ity satria efa nosoratana mialoha tao anaty Lalàna mifehy ny tetibola tany ampiadohana izany.

Ary farany, ao anatin’ny fifanarahana miaraka amin’ny Mpamatsy vola iraisampirenana, indrindra ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) dia takiana manditry ny fanaovana ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana asiampanitsiana ny tokony hampifanarahana ny tahan’ny harikarena eto Madagasikara amin’ny fizotry ny harikarena faobe aty Afrika sy manera-tany. Izany anefa dia taha mihiba ankehitriny ka noho izany dia hitarika fihenan’ny vinavinan’ny vola hiditra sy vola hivoaka izany.

Omaly, nanamafy ny Praiminisitra fa tsy zavatra tsy maintsy atao ny fanitsiana ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Mahatsapa, hoy izy ny Fitondram-panjakana, fa azo hiasana io tetibolam-panjakana ankehitriny io. Ary raha misy filàna ara-bola miseho eny an-dalana eny dia efa misy fombafomba voalaza, etsy ambony etsy, andaminana ny vola isaky ny Minisitera. Noho izany, azo atao tsara ny tsy manitsy ny LFI 2023.

Fermer