Non classé
LALAN’NY ATODY – MAHITSY: Miroso ny asa fanamboarana na eo aza ny Hamehana
Nidina ifotony tany amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, Kaominina Mahitsy, nanara-maso ny fanamboarana sy fanarenana ilay lalana antsoina hoe « Lalan’ny atody » ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, Andrianainarivelo Hajo, sy ireo mpiara-miasa aminy ny asabotsy 01 aogositra 2020 teo. Raha tsiahivina, tetikasa vokatry ny fanampiana avy amin’ny governemanta Sinoa no hanatanterahana izao fanamboaran-dàlana izao. Araka izany, lalana mirefy 19 km, izay manana sakany 14 metatra, no hatao tara. Tafiditra ao anatin’io tetikasa io ny lalana lehibe, izay miainga avy ao amin’ny Kaominina Mahitsy, ary mipaka hatrany amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza izay mirefy 10 km. Ahitana sampanan-dalana miisa 05 kosa ny tetikasa. Ny sampanana voalohany dia mirefy 5 km, ny faharoa 1 km, ny fahatelo mirefy 1 km, ny fahaefatra mirefy 1,5 km, ary ny farany kosa dia mirefy 500 m. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, 80%n’ny “Travaux de terrassement” no efa vita ankehitriny. Ny 50%-n’ny fotodrafitrasan’ny tetezana sy ireo lalan-drano kosa no tontosa. Etsy ankilany, 20%-n’ny « chaussée » no vita, ary 70%-n’ireo fitaovana tokony hampiasaina no efa tonga eto an-toerana. Nilaza ny avy eto anivon’ny minisitera fa “Ao anatin’izao Hamehana ara-pahasalamana izao dia somary nihena ny fandroson’ny asa, izay vinavinaina ho amin’ny volana Septambra 2021 ny fahavitany.”.
40%-n’ny atody mitobaka manerana ny Nosy
Araka ny fanazavana, kaominina telo ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo no hisitraka ity lalana amboarina ity, isan’izany ny Kaominina Mahitsy, ny Kaominina Ampanotokana, ary ny Kaominina Antanetibe Mahazaza. Nanentana ny ben’ny tanàna ny Ministra Andrianainarivelo Hajo mba hametrahan’izy ireo tetikasa ho an’ny fampivoarana ny kaominina misy azy avy hanomezan-danja izao foto-drafitrasa lehibe izao. Ny Kaominina Ambohidratrimo sy Mahitsy rahateo no anisany toerana be mpamokatra atody indrindra satria ao avokoa ny 40%-n’ny atody mitobaka manerana ny Nosy, araka ny fanadihadiana. Hanatsara ny fiainana sy hampakatra ny fari-piainanan’ny mponina any an-toerana noho izany ny fahavitan’ity tetikasa ity. Tsara ny mampahatsiahy fa fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Sinoa sy Malagasy no angady nananana sy vy nahitana izao tetikasa izao. Efa nanomboka ny taona 2019 ny fanadihadiana, famolavolana ary ny fampahafantarana isan-tsokajiny mahakasika ity tetikasa ity. Amin’ity taona 2020 ity no voafaritra fa hanamboarana ny làlan-dehibe 10 km, ka nisy ny fihaonana tamin’ireo mponina manana fananana (tany, trano) andalovan’ny lalana, tany amin’ny volana janoary tany. Fotoana izay nampahafantarana azy ireo ny dingana rehetra ho diavina amin’ny fanonerana ny fanànan’izy ireo voakasik’izany fanamboarana izany, nialohan’ny asa fanamboarana.


