Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

LALAON’NY NOSY 2023 ETO MADAGASIKARA: Mivory ny Filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy (CIJ)

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly 18 hatramin’ny 21 Mey 2023 izao ny fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasim-be Indiana izay fivoriana mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara ny volana Aogositra izao. Firenena miisa 7 mandrafitra ny CIJ no mandray anjara amin’izany toy ny: Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara.

Tonga nanokatra izany fivoriana izany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Novotel Alarobia, omaly ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja Resampa sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera. Tamin’izany no nanambarany fa vonona tanteraka ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ary mandritra ity fivoriana ity no hanaovan’ireo mpikambana ao amin’ny CIJ ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena handraisana izany fifaninanana izany.

Fermer