Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
LALAON’NY NOSY 2023: Mamiratra i Madagasikara, mitarika hatrany amin’ny fahazoana medaly volamena
Andro fahenin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 tanterahina eto Madagasikara ny omaly 31 aogositra. Mitotaly 215 hatreto ireo medaly nasalotra ny ekipam-pirenentsika. Medaly volamena avokoa ny 92 amin’ireo. Izany hoe nanatombo medaly volamena miisa 9 mitaha ny antotanisa ho an’ny andro fahadimy. Medaly volafotsy ny 55, ary medaly alimo ny 68 ambiny. Tsy ho ela isika, araka izany, dia hahatratra ilay habetsaka medaly volamena azontsika tamin’ny Lalaon’ny Nosy tamin’ny taona 2007 izay mitotaly 100. Raha ny filalaon’ireo atleta mandrafitra ireo taranja marolafy izay mbola hifaninana ato anatin’ny telo andro, dia azo antoka ny fihoarana an’io fahazoana medaly betsaka indrindra efa azo tany aloha io.
Tsy nahitana fahadisoana teo amin’ny filaharana hatrany am-piandohan’ny lalao, mitarika hatrany i Madagasikara amin’ny filaharan’ireo Nosy mahazo medaly volamena betsaka indrindra. Eny fa na dia mitovy tanteraka aza hatramin’io omaly io ny totalin’ny medaly voahangontsika sy ry zareo Maorisianina. Samy 215 saingy eo amin’ny laharana faharoa kosa no misy azy ireo izay manana medaly volamena miisa 71. Fahatelo i La Réunion nahavita nanorona medaly volamena miisa 66 hatreto. Arahin’i Seychelles izay manana medaly volamena 9, Comores manana medaly volamena miisa 4, ary Mayotte sy Maldives izay samy mbola medaly volamena 3 avy. Izany hoe tsy nitoko medaly volamena mihitsy i Maldives nandritra ny tontolo andron’ny omaly.
Tafitra ny ekipa lahy sy vavy amin’ny Volley-Ball
Hazakazaka, Badminton, baolina kitra, handball, Karate, Kickboxing, tolona, hazakazaka ho an’ny olona manana fahasembanana, tsipy kanetibe, tenisy, tenisy ambony latabata, Volley-ball, ireo no taranja nifaninana ho an’ny 31 aogositra. Nisongadina tamin’ireo ny tanjaky ny atletantsika any anatin’ireo lalao miaraka iraisan’ny ekipa. Ho an’ny taranja volley-ball, ohatra, dia samy tafiakatra hiatrika ny lalao famaranana amin’ny alahady ho avy izao etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny ekipam-pirenena lahy sy vavy. Omaly no natao ny lalao manasa-dalana ka sarotsarotra ho an’ireo ekipa vehivavintsika ihany no nandavo an’ireo ekipa mpifandrina avy atsy Maurice. Nitsiky tamintsika ihany ny vintana taorian’ny «tie-break» notanterahina. Moramora ho an’ny ekipa lehilahy kosa anefa ny nandavo an’i Seychelles mpifanandrina taminy tao anatin’ny isa seta 3 noho 0. Amin’io famaranana amin’ny alahady io, i Seychelles no ekipa hifandonana amin’ireo vehivavy mpilalao volley-ball malagasy, raha toa ka i La Réunion kosa no hiatrika ny lalao famaranana miaraka amintsika ho an’ny sokajy lehilahy.
Hanao famaranana ny Barea
Mbola lalao anisany betsaka mpanaraka omaly ihany koa ny taranja baolina kitra dingan’ny manasa-dalana nihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipa avy amin’i Comores. Tafiakatra amin’ny dingan’ny famaranana izany ny ekipantsika rehefa nampiondrika an’i Comores teo amin’ny salanisa 4 noho 2. Fantatra ihany koa fa i La Réunion no hifanandrina amintsika ao anatin’izay ady volamena farany tanterahina ao amin’ny Mahamasina hatrany rahampitso amin’ny 07 ora hariva. I La Réunion izay nandresy nanoloana an’i Maurice tamin’ny isan 2 noho 1 tamin’ny lalao manasa-dalana mbola notanterahina omaly hatrany taorian’ilay lalao nihaonan’i Maagasikara sy Comores.
Raha hitodihana fohy ny any amin’ireo taranja andraisan’anjaran’olo-tokana dia namiratra indray omaly ireo olona manana fahasembanana mifaninana any amin’ny taranja hazakazaka. Medaly volamena no azon’i Andrianarindra Nancy teo amin’ny hazakazaka 200m sokajy vehivavy marenina. Medaly volafotsy kosa no azon’i Rakotomanana Tolojanahary Fredon teo amin’ny sokajy 200m lehilahy marenina hatrany. Tsy nohadinoina ny any amin’ny taranja karate izay nitondra medaly volamena miisa 5 ho antsika ho an’ny omaly.
Sarobidy Sidonie.



