Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

LALAON’NY NOSY 2023 – TARANJA IOMBONANA: Miroso ny fanomanana, vita ny antsapaka ho an’ireo firenena miray vondrona

Tontosa omaly ny antsapaka ho an’ireo firenena miray vondrona ho an’ny taranja iombonana (Sports collectifs) mandritra ny Lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara ny 25 Aogositra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izao. Fantatra avokoa ireo firenena miray vondrona amin’ny Madagasikara eo amin’ny taranja Foot-ball, Basket-ball 5×5 ary 3×3, Volley-ball, Rugby à 7, Handball.

98% ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy, hoy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sady Filohan’ny Komity mpikarakara, raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety omaly. Efa vita avokoa, hoy izy, ireo asa lehibe rehetra tokony hatao amin’ny fandraisana ny lalao. Efa ireo pitsopitsony samihafa sisa no ataon’ny mpikarakara ankehitriny.

Nisy anefa ny taratasy nivoaka andro vitsy lasa izay, izay nataona Filohana federasiona maromaro Sonia, manatsikafona ireo tsy fahatomombanana marolafy amin’ny fiomanana amin’ny Lalaon’ny Nosy. Ary nisy mihitsy fanambanana fampodiana ireo atleta izay efa anaty fampivondronana ankehitriny. Nilaza omaly ny Minisitra tomponandraikitra fa mitohy tsy tapaka ny fandaminana sy ny fanatsarana amin’ny fiomanana ny lalao. Mety misy tranga tsy maintsy arenina isaky ny federasiona, hoy izy, fa ny zava-dehibe dia misy hatrany fifampiresahana.

Tsy manakana ny fanomanana tsy hiroso ny tranga toy ireny. Omaly, ny antsapaka ho an’ireo firenena hiray vondrona ho an’ny taranja iombonana no vita.

Ny vokatry ny antsapaka ho an’ireo firenena hiray vondrona mandritra ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja iombonana:

▶️Taranja Volleyball lehilahy :

Vondrona A : Madagasikara, La Réunion, Maldives

Vondrona B : Maurice, Seychelles, Comores, Mayotte

▶️Taranja Volleyball Vehivavy

Vondrona A : Madagasikara, La Réunion, Mayotte

Vondrona B : Seychelles, Maurice, Maldives

▶️Taranja basikety lehilahy 5X5

Vondrona A : Madagasikara, La Réunion, Comores

Vondrona B : Mayotte, Seychelles, Maurice

▶️Taranja basikety lehilahy 3X3

Vondrona A : Madagasikara, Maurice, La Réunion

Vondrona B : Maldives, Seychelles, Mayotte

▶️Taranja basikety vehivavy 3X3

Vondrona A : Madagasikara, Maurice, La Réunion

Vondrona B : Maldives, Seychelles, Mayotte

▶️Taranja baolina kitra lehilahy

Vondrona A : Madagasikara, Seychelles, Maurice

Vondrona B : La Réunion, Comores, Mayottes

▶️Taranja handball lehilahy

Vondrona A : Madagasikara, Comores, Maldives, Maurice

Vondrona B : La Réunion, Seychelles, Mayotte

▶️Taranja handball Vehivavy

Vondrona A : Madagasikara, Seychelles, Comores, Maurice

Vondrona B : La Réunion, Maldives, Mayotte

▶️Taranja rugby lalaovin’olona 7: mikambana vondrona iray ireo mpilalao rehetra ny sokajy lahy sy vavy: Madagasikara, La Réunion, Maurice ary Mayotte.

Fermer