PolitikaSongadim-baovao

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-11 : Mitarika vonjimaika i Madagasikara, medaly volamena miisa 43 azo tao anatin’ny roa andro

Medaly volamena 43, volafotsy 15, alimo 16 izay manome fitambaran’isa 74 no azon’i Madagasikara nandritra ny roa andro nanombohana ny fifaninanana isan-taranja ao anatin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Mitarika vonjimaika hatrany izany aloha hatreto ny firenentsika izay arahin’i La Réunion izay manana medaly volamena miisa 27 hatramin’ny omaly alahady.

Mamiratra i Madagasikara ao anatin’ireo fifaninanana isan-taranja tanterahina ao anatin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Mitarika vonjimaika hatrany aloha isika hatreto amin’io lalao goavana tanterahina eto amin’ny firenena io, raha ny vokatra tao anatin’ny roa andro no asian-teny. Medaly volamena miisa 21 no norombahin’ireo atleta miharo ny voninahi-pirenena tamin’ny sabotsy lasa teo. Miampy medaly volafotsy 7 sy medaly alimo 9, ka manome ny fitambarana medaly ho 37. Nanatombo medaly volamena miisa 22 kosa izany ho an’ny fifaninanana omaly. Miampy medaly volafotsy 8, sy medaly alimo 7 ihany koa. Ireo rehetra ireo mitambatra no manome fitambarana medaly ho 73 ka ny 43 amin’ireo no medaly volamena, 15 medaly volafotsy, ary ny 16 ambiny medaly alimo.
Marihina fa amin’ny lalao olimpika toy ny Lalaon’ny Nosy dia ireo firenena mandrombaka medaly volamena betsaka indrindra no misalotra ny anaram-boninahitra ho tompon-daka. Azo hadika vonjimaika izany hatreto fa i Madagasikara manana medaly volamena miisa 43 no eo amin’io toerana io. Manaraka azy i La Réunion izay manana medaly volamena miisa 27, Maurice manana medaly volameba miisa 11, ary Maldives sy Comores samy manana iray avy. Tsy mbola nitoko ho amin’ny medaly volamena kosa hatreto i Seychelles sy Mayotte.
Marihina fa isan’ireo taranja nifaninana omaly ny mahakasika ny lomano, lomano ho an’ny olona manana fahasembanana, tennis, taekwondo, fibatana fonjamby, tsipy kanetibe, Badminton, basikety 3X3, basikety 5X5, tennis ambony latabatra, judo, handball, volleyball, hazakazaka am-bisikileta, ary boxe.
Tao anatin’ireo roa andro ireo moa dia tsapa fa anisany tombontsoa be ho antsika ny fahombiazana tany amin’ny taranja fibatana fonjamby. Amin’ireo medaly volamena miisa 21 azontsika tamin’ny sabotsy lasa teo dia noentin’ity taranja ity avokoa ny 12 tamin’izany. Mbola medaly 12 ihany koa no azon’ireo vehivavy sy lehilahy mpibata fonjamby omaly alahady, nandritra ny lalao notanterahina tao amin’ny “Petit Palais” Mahamasina.

Taranja “taekwondo”: medaly volamena 11 tao anatin’ny roa andro

Isan’ireo taranja mampirehareha ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ao anatin’izao Lalaon’ny Nosy izao ihany koa, ny taranja “taekwondo”. Tsy mitsahatra ny mananika ny antanan-tohatra ambony ireo atleta mpiaro ny voninahi-pirenena ao anatin’izany taranja izany. Ho an’ny andro voalohan’ny fifaninana tamin’ny sabotsy teo, ohatra, niisa sivy ny medaly norombahin’ireo atleta nandritra ny lalao notanterahina tao amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Ny enina amin’ireo medaly volamena, ny iray medaly volafotsy, ary ny iray farany medaly alimo. Isan’ny nahazoana ny medaly volamena telo ny sokajy vegivavy “Seniors” latsaky ny 48kg, 57kg, art maherin’ny 73 kg. Ireo medaly volamena telo ambiny kosa dia vokatry ny ezaka nataon’ireo lehilahy sokajy “seniors” latsaky ny 58kg, 80kg, ary maherin’ny 87kg.
Tsy nijanona hatreo, mbola tsy nitsanga-menatra ihany koa ireo mpikatroka “taekwondo” omaly alahady. Medaly volamena miisa dimy no nipitika taty amintsika, sy medaly volafotsy telo. Nahazoana ny medaly volamena iray tamin’izany ny tolona nataon’i Randriamendrika Fenitra teo amin’ny sokajy latsaky ny 53kg. Ireo medaly volamena efatra ambiny kosa dia avy amin’ny sokajy lehilahy latsaky ny 54kg, 63kg, 74kg, ary 87kg.
Raha atambatra izany dia medaly volamena 11 no azon’ny taranja Taekwondo hatreto. Mifarana anio ny fifaninanana amin’ny lafiny Poomsae.

Baolina kitra: tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Barea.

Fandresena 1 noho 0 nanoloana an’i Seychelles, izay raha tsiahivina ny vokatry ny lalao baolina kitra nihaon’io ekipam-pirenena iray io tamin-dry zareo Barean’ny Madagasikara tamin’ny alakamisy 24 aogositra, teny amin’ny kianjan’ny Elgaco Plus Bypass. Mbola nitohy ny sabotsy lasa teo hatrany ny fifanintsanana ka nanao ady sahala tamin’ny isa 1 noho 1 tamin-dry zareo Maorisianina indray ny ekipam-pirenentsika tao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Araka ny kajy, noho izany, dia tafiakatra any amin’ny lalaon’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara. Izay mivoaka mpandresy amin’ny lalao hifanandrinan’i Saychelles sy Maurice anio no ho tafiakatra hiaraka amintsika ao amin’ny vondrona A, ao anatin’izay lalao manasa-dalana izay. Raha hitodihana kosa ny vondrona B dia i Mayotte no efa manana isa 2 tamin’ny alalan’ny ady sahala 0 noho 0 in-droa miantoana nataony. Mbola andrasana amin’ity anio ity ihany koa ny lalao hifanandrinan’i Comores sy La Réunion.

Basikety vehivavy sy lehilahy: nivoaka mpandresy hatrany ny Ankoay

Lalao anisan’ny be mpanatrika indrindra ihany koa ny lalao notanterahin-dry zareo mpanao basikety Ankoay, na lehilahy izany na vehivavy. Ny sokajy basikety 5X5, ohatra, no niakarana kianja tamin’ny sabotsy lasa teo ka nomontsanin’ny ekipam-pirenentsika tamin’ny isa 92 noho 17 ry zareo avy atsy Maurice. Ho an’ny basikety lahilahy 5X5 dia i La Réunion no nifanandrina tamin’i Madagasikara. Na heverina ho ekipa matanja aza i La Réunion dia mbola resintsika hatrany izy ireo ka teo amin’ny isa 56 noho 46 no nisarahana farany.
Samy nanatanteraka lalao roa avy kosa ireo ekipan’ny Ankoay lahy sy vavy, sokajy basikety 3X3, omaly alahady. Ireto atolotra eto ambany ireto ny voka-dalao tamin’izany.

Ho an’ny vehivavy:

22-Madagascar/ Maurice- 02
19-Madagascar/ La Réunion- 11

Ho an’ny lehilahy:

21-Madagascar/ Maurice-05
21-Madagascar/ La Réunion-17

Fermer