Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-11: Voalohany i Madagasikara, fahombiazana ny fikarakarana
Tratra ny tanjona. Voalohany i Madagasikara, ary azo ambara ho tomombana antsakany sy andavany ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teto Madagasikara. Nisandratra avo ny voninahi-pirenena eo anatrehan’ireo medaly volamena 121 azon’ny Malagasy. Ary namiratra i Madagasikara taty amin’ny Ranomasimbe indianina tao anatin’ny Lalaon’ny Nosy 2023.
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 natao teto Madagasikara tao anatin’ny folo andro. Niraisan’ireo rehetra nandray fitenenana nandritra izany lanonam-pamaranana izany ny fahombiazan’ny fikarakarana. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Conseil international des jeux na ny CIJ, Antonio Gopal dia nahomby ny fikarakarana nataon’i Madagasikara, ary nidera manokana ny finiavana nananan’ny Filohan’ny Repoblika ny tenany. Noderainy manokana koa ireo fepetra fiarovana sy arifenitra ho an’ireo delegasiona rehetra tonga teto Madagasikara. Teo koa ny fitaterana, ny fampisakafoana ireo delegasiona tsirairay avy.
Mbola nanamafy io fankasitrahana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina io ihany koa ny Filohan’ny COJI, sady Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena malagasy, André Haja Resampa, izay nilaza fa ny Filoha malagasy no niady sy nangataka ny handraisana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara, napetrany ny fanamby, ary izao tratra izao. “Hipetraka ho tantara fa ity no lalaon’ny nosy lehibe indrindra”, hoy ny Minisitra André Haja Resampa.
Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina
Ny Filohan’ny Repoblika kosa tetsy andaniny dia nankasitraka ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fandavorariana iny lalaon’ny nosy iny ka nahazoan’i Madagasikara fahombiazana, na dia fotoana fohy ihany aza no nanomanana izany. “Afaka milaza isika fa nisongadina sy manana ny toerany aty amin’ny kaontinanta afrikanina, indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina i Madagasikara. Na tamin’ny fikarakarana na tamin’ny fifaninanana”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nambaran’ny filoha fa tratra ny tanjona napetraka, dia ny hoe tsy maintsy voalohany i Madagasikara, ary nibata fandresena, sy nahazo ny medaly volamena betsaka indrindra. Saika nahazoantsika medaly volamena avokoa mantsy ireo taranja rehetra. Voaporofo, hoy ny Filoha, fa rehefa miray hina dia tsy maintsy mandresy.



