Fanatanjahan-tenaKolontsainaSongadim-baovao
LALAON’NY NOSY – LANONAM-PANOKAFANA: Malagasy manodidina ny 1 000 isa handray anjara amin’ny soradihy
Efa mifantoka tanteraka amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy ny ampahan’ny betsaka amin’ny lahasan’ny Governemanta sy ny mpikarakara rehetra ankehitriny, araka ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” . Ny tenany izay nanambara fa voninahi-pirenena no arovana rehefa mandray anjara amin’ny lalao tahaka izao ka mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra, izay anehoana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena. Tao anatin’ny fandaharana nataony omaly no nilazany fa manodidina ny 1 000 ny tanora malagasy handray anjara amin’ny sora-dihy mandritra ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, izay hatao eto amintsika ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023 izao. Nandiso ny vaovao miely araka izany ny tenany, izay milaza fa teratany sinoa no hanao fampisehoana mandritra io lanonam-panokafana io. Tekinisianina teratany sinoa 8 mianadahy no hitondra ny fahaiza-manaony, indrindra ara-kevitra amin’ny fampianarana sora-dihy. Antony nisafidianana azy ireo, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, ny fananany fahaiza-manao eo amin’io sehatra io. Zavatra tsara sy raitra no tadiavina ka omena fahatokisana araka izany ny mpikarakara.
Efa naka ny fanampian’ny sinoa foana isika amin’ny resaka dihy mirindra, hoy hatrany ny fanazavana. Ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no tompon’ny fikarakarana ny fandraisana io lalao io. Izy no tompon’ny fandaminana amin’izay, hoy hatrany ny fanazavana. Tan-tsoroka teknika no entin’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Raha tsiahivina, nanamafy ny minisitra Resampa Haja sady filohan’ny komity mpikarakara ny lalao (COJI) ny fiantombohan’ity herinadro ity fa efa nandefa ny “engagement de participation” avokoa ireo nosy mpandray anjara. Ary tsy misy manana ahiahy intsony amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fifaninanana. Ao anatin’ny fanomanana daholo ihany koa ireo atleta voatsonga handray anjara amin’izany. Ary samy mahazo ny fanohanan’ny Minisitra mpiahy azy tsirairay avy arakaraka ny taranja misy azy.



