PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA ANDRIATONGARIVO: Miantso ny olom-pirenena tsy hanaiky atao sorona
Tsy misy lalàna manery ny Solombavambahoaka tsy maintsy hanao tatitra eo Ambohijatovo, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Azo atao any amin’ny toeran-kafa izany, hoy izy, miankina amin’izay lamina hapetraky ny tomponandraikitra satria tany tan-dalàna isika. Eo anatrehan’izany, miantso ny olom-pirenena tsy hanaiky atao fitaovana politika sy hatao sorona intsony ny tenany, amin’izay fanakorontana ataon’ny mpanohitra anio.
“Tsy eo Ambohijatovo ihany no toerana hahafahana manao tatitra ka hoe rehefa tsy mahazo eo ianao dia handeha hiteny hoe tsy misy fahalalahana”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Azo atao ny manome toerana hafa an’izy ireo, hoy izy, satria efa misy ny lamina hapetraky ny mpitantana ny tanàna amin’izay olona na vondron’olona hanao hetsika eto Antananarivo. Midika fambolena korontana, noho izany, ny tsy fanarahana ny lamina hapetraky ny tomponandraikitra. Manoloana izany, “aoka tsy hanaiky atao sorona ao anatin’ny teti-dratsy efa mazava hanakorontanana ny fiainam-pirenena ny vahoaka”, hoy izy.
Aoka tsy hanaiky horebirebena intsony ny vahoaka, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, raha namaly ireo fanakorontanana ataon’ny mpanohitra ankehitriny. Efa mandroso amin’ny famahana ny olan’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana ankehitriny, hoy izy. “Ny vatsim-pianarana, ny olan’ny rano, ny vidim-bary, sy ny sisa, manana vahaolana amin’izany ve ireo mpanohitra mitarika olona hidina andalambe ireo raha tonga eny Ambohijatovo ny olona?”, hoy izy nametraka fanontaniana. Ny mifanohitra amin’izany aza no hiseho satria vao maika hihitsoka lalina ny firenena noho ny krizy vaovao indray.
Fifandonana hanasoketana ny Fanjakana?
Manaja ny fahalalahana miteny ny Fitondram-panjakana, hoy izy. Saingy izany fahalalahana miteny izany dia mitaky fanajana lalàna ihany koa, manomboka any amin’ny Lalàmpanorenana izany, ka hatramin’ireo lalàna sy fitsipika rehetra hapetraky ny tomponandraikitra isan-tokony. Dikany, ny tsy fanarahana izany dia fanakorontanana avy hatrany. Nohamafisiny fa tsy ny fitadiavana fifandonana no hampisy fitoniana. “Avelao ny olona afaka hitady ankalalahana. Aleo hifanaja. Mila samy manaja ny lalàna ny Fanjakana sy ny mpanohitra”, hoy hatrany izy.
Firenena vao nivoaka krizy isika noho ny valanaretina Covid-19, hoy izy. Ankehitriny, efa miha tafarina ny firenena amin’ny lafiny maro, ka tsy tokony halentika indray. “Tanjon’ny fihetsiketsehana ny hampisy fifandonana ka hanasoketana ny Fanjakana”, araka ny nambarany, “Tsy andron’ny fanakorontanana intsony izao. Manaja ny fenitra Demokratika isika”.
Notsindrian’ity tomponandraikitra ity fa tsy tatitra no kasain’ny mpanohitra atao anio fa antony hafa mihitsy. Nazavainy fa misy fomba maro lazain’ny Lalàmpanorenana raha toa ka misy teboka tsy mazava amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana na amin’ny asan’ny Governemanta. Mandritra ny fotoam-pivoriana dia azo ifampiresahana tsara mihitsy izany fa tsy voatery amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka. Ary ny tatitra amin’ny maha Solombavambahoaka dia tokony hatao mitohy fa tsy hoe roa taona tsy nieritreritra izay hanao tatitra ka hoe tampotampoka eo dia hanao tatitra.
Ny Fanoratana.
Miray feo amin’ny tsy tokony hisian’ny herisetra amin’ny mpianatra manao fitakiana ireo mpianatra avy amin’ny Faritra 22 omaly tetsy amin’ny esplanade Ankatso. Izy ireo izay miombom-po tanteraka amin’ny fianakavian’ny mpianatra iray izay lavo tany Toamasina noho ny hetsika fitakiana. Miantso ny tomponandraikitra isan’ambaratongany noho izany ireo mpianatra ireo mba hanome ny zo sy hamaly ireo fitakiana maro samihafa tokony hisitrahan’izy ireo fa tsy sanatria hanao tahaka ny nataon’ny Filohan’ny Oniversiten’I Toamasina, izay tsy namoaka ny vatsim-pianarana efa-bolana kanefa efa tao aminy nandritra ny enim-bolana.




