
PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA ANDRIATONGARIVO: « Tsy afaka hiaina anaty korontana intsony ny Firenentsika »
“Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fisian’ny korontana, na iza na iza”, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, no sady Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly, raha nikabary tao Ambatondrazaka. Tsy hitondra soa ho an’ny Firenena izany, hoy izy, fa tokony adihevitra demokratika no omen-danja.
Na tamin’ny kabary nataony tamin’ny lanonam-panokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao Ambatondrazaka, na tamin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, omaly, dia niantso filaminana eo amin’ireo mpisehatra politika samihafa ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, Mpitondra tenin’ny Governemanta. Nambarany fa tsy mitondra mankaiza ny adilahy politika, tsy mitondra soa ho an’ny Firenena. “Lalan-tokana mampilamina sy mampitony ny firenentsika dia ny filaminana ihany. Raisiko adidy ny manao fanentanana hisian’ny filaminana… Tsy afaka intsony hiaina anaty korontana isika”, hoy ny fanazavany. Fotoana izay nampahatsiahivany ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika, nanambara fa anaty fifandimbiasam-pahefana in’efatra miantoana vao tratra ny tanjon’ny fampandrosoana. Efa nisy ny fifandimbiasam-pahefana milamina tamin’ny 2013-2014, izay nanomezan’ny Filohan’ny Tetezamita tamin’izany fotoana ny fahefana tamin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tamin’ny 2018-2019 koa dia nisy fifandimbiasam-pahefana milamina tamin’ny nanoloran’ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina ny fahefana tamin’ny Filoha ankehitriny, Andry Rajoelina. “Mbola mila fifandimbiasam-pahefana milamina isika amin’ny 2023, hatrany amin’ny 2028, izay vao tratra ny tanjon’ny fampandrosoana”, hoy hatrany ny fanazavana. Noraisiny ho ohatra i Rwanda izay niaina tanatina fifandimbiasam-pahefana demokratika hatrany tao anatin’ny fotoana maharitra, taorian’ny ady an-trano izay naharava ity Firenena ity, tany aloha.
Niaiky ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa tsy olana mihitsy ny fisian’ny mpanohitra eto amin’ny tany sy ny firenena. Saingy ny hevitra no tokony iadiana hevitra, hoy izy. Tsy tokony ho tonga any amin’ny famoronana lainga, na “halako bika tsy tiako tarehy”, na fanenjehana manokana, ny asan’ny mpanohitra, hoy hatrany ny tenany.
Minisitra Mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro
Voaresaka manokana nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” omaly ihany koa ny naha voatendry ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, ho minisitra Mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro. Misy antony manokana ve? Tsy nihambahamba ny tenany namaly io fanontaniana io , ary nilaza fa tena nisy antony tokoa no nahatonga azy ho lasa Minisitra mpiahy an’ity Faritra ity.
Rehefa natao ny fitsinjarana teo anivon’ny Governemanta, araka ny fanazavana, dia tsy nisy ny nanolo-tena hiahy ny Faritra Alaotra Mangoro. Ny tenany, noho izany, no voatendry, ary tsy nanda izany ihany koa. “Te hampahafantatra ny vahoakan’Alaotra mangoro aho fa betsaka ny ezaka efa vitan’ny Fanjakana ho an’Alaotra Mangoro. Betsaka ihany koa ny asa efa vita amin’ny ankapobeny. Araka izany, dia nanaiky aho”, hoy ny teniny. Nohamafisina fa amin’ny maha Minisitra mpiahy dia mora kokoa ny fitaterana izay maharary ny vahoaka eo anivon’ny Governemanta. Manana adidy ihany koa ny Minisitra Mpiahy ampita amin’ny vahoaka izay asa ataon’ny Fanjakana.



