PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
LALATIANA ANDRIATONGARIVO: « Tsy famonoana ny tantsaha ny fanafarana ny Vary Tsinjo »
Efa nokajian’ny Fanjakana ny vary vokarin’ny tantsaha eto an-toerana izay vao niroso tamin’ny fanafarana ireo Vary avy any ivelany i Madagasikara, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha namaly ny filazana fa mamono ny tantsaha malagasy ny hetsika nataon’ny Fanjakana.
Misy milaza fa famonoana ny tantsaha ny fanatobahana ireo vary nafarana eny amin’ny tsena anatiny. Omaly, nanazava ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa manodidina ny 32 000 taonina no vina eritreretina ho tonga, sy hafaran’ny Fanjakana malagasy hanenjehana ity vanim-potoan’ny maitso ahitra ity. Ny tsara ho marihana anefa dia efa noraisina tao anatin’io kajikajin’ny 32 000 taonina io ny vokatra vokarin’ny tantsaha malagasy. Araka izany, tsy hamono velively ny tsena anatiny ny nanafarana ireo vary ireo. Tsy mitombina noho izany ny resaka rehetra mifandraika amin’izany, toy ny filazana fa ny Indianina sy ny Pakistané indray no omena vahana amin’ny fanafarana ireo vary ireo. Notsindriany fa ny varin’ny tantsaha eto Madagasikara dia efa nokajiana ao anatin’ny filàn’ny firenena. Ireo vary nafarana noho izany dia natao hanetsenana fotsiny ihany ny tsy fahampiana sy ny fahabangana eo amin’ny tsena. Izany hoe, manana anjara tsena hatrany ireo vary vokarina eto an-toerana.
Kajikajy politika!
Tsy mbola mahenika mihitsy ny filàn’ny tsena anatiny eto amintsika ny vary vokarin’ny tantsaha, araka ny fanazavana. Antony nahatonga ny Filohan’ny Repoblika nanao Velirano mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izany hoe, hatao izay hampitombo ny vokatra avy eto an-toerana mba tsy hanafarana vary avy any ivelany intsony. “Dikany, tsy maintsy mbola manafatra vary aloha isika izao. Tsy maintsy hihena tsikelikely kosa anefa izany ary tanjona ny tsy hanaovantsika fanafarana intsony hatramin’ny taona 2023, na ilay antsoina ihany koa hoe fahavitan-tena ara-tsakafo”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta.
Fotoana ihany koa omaly nilazan’ity tomponandraikitra ity fa nisy kajikajy politika nataon’ny mpanohitra tamin’ireo resaka vary io. Nasaina nanitrika vary, hoy izy, ireo tantsaha ka rehefa miakatra ny vidim-bary eny an-tsena vao havoaka. Nampirisihana tamin’izany mihitsy ny tantsaha, araka ny tatitra voarain’ny Minisitera tomponandraikitra. Eo anatrehan’izany, sahirana ny tantsaha ankehitriny satria tonga ny vary nafaran’ny Fanjakana. Ary tsy maintsy hidina ny vidim-bary eny an-tsena.



