KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Tsy mibodo ny fitantanana ny OMDA ny minisitera”

« Tsy mibodo hitazona ny fitantanana ny OMDA mihitsy ny minisitera, ary efa nanolo-kevitra ny hanaovan’ny artista tolo-dalàna hananganana ny antsoina hoe orinasan’ny mpamorona (société d’auteur) hotantanan’ny samy mpanakanto mpamorona fa tsy hidiran’ny fanjakana intsony », io no isan’ny hafatra lehibe nentin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny hetsika “Seraseran’ny Mpanakanto andiany faharoa” notontosaina omaly Alakamisy 5 Mey 2022 teny amin’ny By pass, izay nokarakarain’ny Minisitera. Notsindriany fa raha misy izany tolo-dalàna mikasika ny fananganana ny orinasan’ny mpamorona izany dia vonona tanteraka ny hanampy ny Minisitera hanatanterahana ny fisintahan’ny Fanjakana amin’ny fitantanana ny resaka zon’ny mpamorona. Fa ankehitriny aloha, satria mbola ratsamangaika eo ambany fiahian’ny minisitera ny OMDA, dia teren’ny lalàna ny Minisitera hitantanana azy sy hanao izay hahatsara azy.

Izany indrindra, hoy izy, no nahatonga ny minisitera nikaroka hevitra, efa ho roa taona izao, hanatsarana ny fampisitrahana ny artista ny zony amin’ny maha-mpamorona azy. Efa nampahafantarina nandritra ny Seraseran’ny mpanakanto andiany voalohany tamin’ny 5 marsa 2021 izany endrika ankapoben’ny rindrambaiko na logiciel entina mitantana ny fanangonana ny vola zon’ny mpamorona sy ny fitsinjarana izany, amin’ireo artista tokony hisitraka azy. “Androany (ndlr: omaly) dia masaka tanteraka ny nahandro ka atolotry ny minisitera anareo mpanakanto rehetra hahalalanareo ny ezaka natao », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.

Tsy mendrika ny artista ny vola raisiny…

Nahitsy, sady hentitra ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly raha namaly ireo resabe niniana novoizina momba ny fanesorana tamin’ny toerany ny talen’ny OMDA teo aloha. Nambarany fa tsy tokony ho ny fanesorana na ny fanoloana olona no ametrahana olana, fa hoe raha nipetraka teo ve ilay olona nandritra ny 20 taona, dia inona no zavatra vitany? Nazava ve ny fitantanany? Ary koa, na nahavita zavatra aza ilay olona, sy nadio ny fitantanany, amin’ny maha rafitra eo ambany fitantanan’ny Minisitera ny OMDA dia fahefan’ny Minisitera feno ny manova izay olona hitantana azy. Ary tsy tokony hisy adihevitra ny amin’izany.

Notsindrian’ny Minisitra anefa fa tena nisy tokoa ny fitantanana tsy nazava tamin’ity OMDA ity teo aloha. Teo no nanambarany fa tsy mendrika ny artista ny vola raisiny amin’ny sanganasa vokariny ankehitriny. Mendrika ananana ny zony, araka ny tokony ho izy, ny mpamorona, araka ny nambarany. Ary adidin’ny Minisitera no manampy azy ireo amin’izany. Fotoana izao, hoy izy, hanaovana fanavaozana ny fitantanana ny zon’ny mpamorona, ary tsy maintsy vitaina izany. Tsara marihina fa nandritra ny fihaonana omaly ihany dia efa naseho tamin’ireo mpanakanto marobe tonga nanatrika ny fotoana ny rindrambaiko vaovao entina itantanana ny zon’ny mpamorona manomboka izao. Voakasika ao anatin’izany daholo rehefa mpanakanto sy mpamorona, fa tsy ny mpihira irery ihany.

Fermer