
PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA ANDRIATONGARIVO – TV5 MONDE: Nanamafy ny fahavononan’ny Mpitondra ankehitriny hanao fifidianana
Nandritra ny diany any Frantsa, voaasan’ny Fahitalavitra TV5 Monde ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta. Isan’ireo voaresaka tao anatin’izany ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity. Fotoana izay nanamafisan’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta ny fahavononan’ny Fanjakana hanatanteraka izany fifidianana izany.
Vonona tanteraka ny Fanjakana malagasy hiatrika ny fifidianana amin’ity taona ity, araka ny fanamafisana nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Fahitalavitra TV 5 Monde tany Frantsa. Nampahatsiahiviny fa, araka ny anarany, dia rafitra mahaleotena ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Ary ny Governemanta dia tsy miditra amin’ny fikajiana ny fandaniana amin’ny fifidianana sy ny sisa. Na izany aza, namaly ny antson’ny Ceni hatrany Governemanta, ary nandray ny andraikitra tandrify azy. Isan’izany ny fanondrotana hatrany ny tetibolan’ny Ceni, tao anatin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ny taona 2022 (LFR 2022), ary ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bola amin’ity taona ity (LFI 2023). Nitombo hatrany ny tetibola natokan’ny Fanjakana ho an’ny Ceni. Nanaja ny teny nomeny hatrany koa ny Governemanta. Ankehitriny, efa misy ny fifampiresahana amin’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknikan’i Madagasikara, nanomboka tamin’ny 17 Febroary teo, izay efa nanao fanohanana sahady aty alohan’ny fifidianana, isan’izany ny tetikasa PeaceBuilding Fund sy ny Pnud.
Firotsahan-kofidian’ny Filoha
Anisan’ny nanontanian’ny mpanao gazety azy ihany koa ny mahakasika ny firotsahan-kofidian’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina indray amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity. Nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, fa tsy mbola nanao fanambarana ny firotsahan-kofidiany na tsia ny Filoha Andry Rajoelina. « Eny fa na ny Antoko tarihiko aza efa nanontany ny Filoha mahakasika izany fa tsy mbola nilaza ny fanapahankeviny izy », hoy ny fanazavany. Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa mbola misy lafin-javatra laharam-pahamehana bebe kokoa ho an’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, mialohan’ny handraisana fanapahankevitra amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fanarenana ny Firenena taorian’ny fandalovan’ny Covid-19, ny ady eo amin’ny Okraina sy Rosia, ary ankehitriny dia anatin’ny vanimpotoana maha betsaka ny rivodoza i Madagasikara. Dikany, afaka fotoana vitsivitsy vao mety ho voavaly izany fanontaniana izany.
Fanovana Governemanta
Tetsy ankilany, raha nanontanian’ny Mpanao gazety ny maha laharam-pahamehana ny fanovana Governemanta farany teo ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, dia nanamafy fa mila omena aina vaovao indray ny Governemanta. Ary ny Filohan’ny Repoblika dia nilaza fa misy fomba fiasa mila novaina teo anivon’ny Governemanta. Ao anatin’izany no tsy maintsy nanavaozana ireo mpikamban’ny Governemanta sasany. “Ny Filohan’ny Repoblika ihany no tompon’ny fanapahankevitra ny amin’ny tokony hanovana ny Governemanta na tsia, rehefa hitany fa misy asa tokony handeha aingana kokoa”, hoy hatrany izy.




