PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO: « Tsarao amin’ny asa vitako ato amin’ny Minisitera aho »

Taorian’ny fanambarana lehibe nataon’ny Birao Nasionalin’ny Antoko Freedom ny alarobia teo, nitondra fanampim-panazavana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, izay sady Filoha Nasionalin’ny Antoko ihany koa, omaly. Nohamafisiny izay voalazan’ny Antoko mahakasika ireo fanasoketana rehetra izay atao azy, izay tsy misy mitombina, ary mifototra amin’ny halako bika tsy tiako tarehy.

Tao anatin’ny fandaharana fanaony isan-kerinandro ao amin’ny RNM sy TVM no nitondran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, sady Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, fanazavana momba ilay fanambaran’ny Birao Nasionalin’ny Antoko tamin’ity herinandro ity. Nohamafisiny fa noho ireo karazana fanenjehana sy fanasoketana mahazo azy ankehitriny no antony nahatonga ireny fanambarana ireny. “Hatao izay hampandemena ny tenako sy ny Fitondram-panjakana”, hoy izy. Ity farany izay nanipika mazava tsara fa tsy mitombina ny 99,99%-n’ireo fanasoketana azy amin’izao fotoana izao.

Raha tsiahivina, ny Birao Nasionalin’ny Antoko dia niantso ireo mpanohitra sy ireo mpanasoketa rehetra mba hitondra adihevitra mahakasika ny departemanta minisiterialy izay hiandraiketan-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo ankehitriny. “Nahavita ve izy sa tsy nahavita ny teny nifanomezany tamin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra fony izy vao voatendry ho Minisitra? Moa ve izy tsy nahay nitantana? Moa izy ve nangala-bolam-panjakana?” ireo no teboka notsindrian’ny fanambarana ny alarobia teo. Mbola nohamafisin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo izany omaly, izay nilazany fa fanenjehana amin’ny tranga tsy misy ifandraisany ary koa tsy mitombina no atao azy sy ny vadiny ankehitriny.

Fanenjehana avy any ivelan’ny Fitondrana sy avy ao anatiny

Ny fanasoketana izay hanenjehana ahy dia tsy mifandraika mihitsy amin’ny asa izay ataoko, sy ny adidy aman’andraikitra izay hiantsorohako, fa saika fanasoketana mifototra amin’ny halako bika tsy tiako tarehy no betsaka”, hoy izy nanazava. “Vonona aho amin’ny adihevitra rehetra mety mahakasika ahy sy ny zava-bitako. Tsarao amin’ny asa vitako ato amin’ny Minisitera aho”, hoy hatrany izy. Anisany voizin’ny mpanohitra, ohatra, ny filazana fa nametaka tehamaina ny Pasitera Lala Rasendrahasina Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo, izay tsy mitombina tanteraka, araka ny fanazavany. Eo koa ny filazana fa Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin’ny vadiny, no ambadik’ireny raharaha naha voasaringotra ny zanaky ny Me Hanitra ireny, izay tsy misy ifandraisany velively.

Ny avy any ivelany manasoketa amin’ny alalan’ny famadihana vaovao. Ny avy ato anatiny koa misy milalao an’izay fomba fiadin’ny mpanohitra izay, dia mamparefo ny tokony ho fitambarana hita amin’ny Fitondram-panjakana”, hoy izy.  Antony nahatonga ny birao nasionaly niantso ny tokony hanatsaharana izany. “Efa ny tenako irery no mitsangana miaro ny Fanjakana, mbola izaho ihany koa no hanatodihana ny basy”, hoy hatrany izy.

Ny Fanoratana.

LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Izaho tsy mbola nanana dosie maloto ary tsy hanana mihitsy, tsy hanao “marché fictif”, tsy hanodinkodim-bolam-panjakana, tsy manana orinasa mahazo tsenam-baro-panjakana. Ankoatra izay, izaho koa tsy manana Havana na iray aza, ao amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny, kanefa, anisany hanenjehana ahy izany ankehitriny. Tsy mitombina koa ny filazana fa tsy tia olona avy any amin’ny Faritra ny tenako satria na ny mpanolotra fandaharana sy vaovao eto anivon’ny TVM sy ny RNM ankehitriny aza dia maro ireo avy any amin’ny Faritra. Tsy mbola nanome “licence” vaovao ho ana fahitalavitra ny tenako na dia misy volabe aza izany. Tsy mbola nanao zavatra nakana tombony manokana. Izaho tsy mbola nanana fitantanana maloto tato amin’ny Minisitera niantsorohako. Tsy manakana ny fanehoan’ny olona hevitra ny tenako sy ny Antoko izay tarihiko amin’ny amin’ny Antoko Sosialy Demokraty anay, saingy tokony mba zavatra mitombina kosa no hanaovana fanenjehana.”
Fermer