PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : « Fanamby ny hanome fampiofanana arak’asa tsara kalitao sy mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa »

Isan’ireo Minisitra tafaverina ao anatin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ankehitriny ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, izay mitantana ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Nambarany tao anatin’ny fanehoan-keviny omaly fa fanamby lehibe ho azy, amin’izao andraikitra vaovao izao, ny hanome fampiofanana arak’asa tsara kalitao sy mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa.

Nandritra ny fepotoam-piasana voalohan’ny Filoha Andry Rajoelina iray manontolo no nisahana ny andraikitra maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Fahombiazana no azo amehezana ny fitantanany io Minisitera io. Betsaka ireo asa vita sy nataony niaraka tamin’ireo mpiara-miasa taminy ho fampivoarana ireo sehatra roa lehibe ireo. Noho ny fanapahan-kevitra politika noraisiny ho fanohanana indray ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo, dia nisafidy ny nametra-pialana Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, sady ho fanajana ny lalàna manan-kery rahateo.

Amin’izao fitsanganan’ny Governemanta vaovao izao dia tafaverina ao anatiny indray ny tenany, saingy nafindra ho ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa. “Misaotra manokana an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy Andriamatoa Praiminisitra aho nanome fitokisana ahy ka nisafidy eo amin’io andraikitra goavana hisahana ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa io”, hoy indrindra izy tao anatin’ny fanehoan-keviny.

“Raha nanolo-kevitra tamiko an’io departemanta io Atoa Filoha dia tsapako ny finiavany hametraka fa anisan’ny andry anankiray lehibe iankinan’ny vinany ny departemanta iandraiketako, mba hahafahana manofana mahomby sy haingana ireo tanorantsika sy ny vehivavy ihany koa, hiantohana ny fahafaha-miasa avy hatrany na ilay antsoina hoe « employabilité ». Io no tsy ampy ka mila hampifantohana ny ezaka rehetra”, hoy hatrany ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny fanehoan-keviny.

Tahan’ny tsy fananan’asa!

Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa (METFP) fa isan’ny fanamby lehibe ho azy ny hanome fampiofanana arak’asa tsara kalitao sy mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa an’ireo sokajina olompirenena efa tokony miasa (population active), kanefa tsy miasa mba hanenana ny tahan’ny tsy fananana asa (taux de chômage) sy hiadiana haingana amin’ny fahantrana. “Tsapako loatra am-panetretena araka izany ny halehiben’ny andraikitra ankinina amiko sy ny vokatra andrasan’Atoa Filoha sy Atoa Praiminisitra amiko, ary indrindra ny vahoaka malagasy. Am-panetretena koa no nanekeko izany fanamby izany, hanao izay faraheriko rehetra hahitana vokatra azo tsapain-tanana sy haingana ho fanajana ny fianianana izay natao teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy”, hoy hatrany izy.

Nankasitraka manokana ny asa sy ezaka tsara efa vitan’ny Minisitra teo aloha ny tenany, ary miandrandra sahady fiarahamiasa ankitsipo amin’ireo mpiasam-panjakana eo anivon’ny METFP ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy.

Fermer