PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: « Fifidianana no tokony hirosoana, tsy misy antony hanaovana fifanarahana politika »
Ny fifidianana irery ihany no tokony hirosoana satria io no lalana hanomezana fahefana ny vahoaka malagasy hifidy izay olona hitondra azy indray ho an’ny dimy taona manaraka, hoy ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy, raha nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny voalaza fa “Charte de bonne conduite” kasain’ny fiarahamonimpirenena sy ny sehatra iraisampirenena sasany izay miendrika fifanarahana.
Amin’ity anio ity no voafaritra fa hampahafantarana ny “code de bonne conduite” na satam-pitondratenan’ireo antoko politika izay karakarain’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), ary vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola. Antoko politika folo no voalaza fa mandray anjara ao anatin’izany, ary ankoatra ireo avy amin’ny fanoherana dia misy ihany koa antoko politika avy ao anaty Fitondrana. Nahitsy sy nazava omaly ny fanehoan-kevitr’i Ramatoa Lalatianana Rakotondrazafy. “Izaho amin’ny maha Filoha nasionalin‘ny Antoko Freedom ahy dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’izay “charte de bonne conduite” izay”, hoy izy. Nambarany fa misy resaka foana mandeha ambadika hoe fifanarahana politika no atao. “Misy manjavozavo iniana apetraka ao anatin’ilay izy, izay tsy mety loatra aminay. Ary izahay koa tsy mankasitraka amin’ny fifanarahana politika izany fa aminay dia ny fifidianana ihany no tokony hirosoana satria izay no fanomezana fahefana ny vahoaka malagasy hifidy ny olona tokony hitondra azy amin ‘ny dimy taona manaraka”, hoy hatrany ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom.
Efa voalazan’ny lalàna
Tetsy ankilany, nilaza Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa efa hita ao anatin’ny lalàna manan-kery eto amintsika daholo ny ao anatiny rehetra, rehefa novakiana ilay “charte de bonne conduite” izay nosoniavin’ny mpanao politika vitsivitsy. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny lalàna mifehy ny antoko politika, nanomboka ny taona 2011, efa nanan-klery, ary azo tanterahina, tsy mila baiko avy any ivelany, ary tsy ilàna fiarahamonim-pirenena, araka ny fanehoan-keviny. Ankoatra izay, misy resaka fifidianana koa ao anatin’ilay sata. Mazava anefa ny voalazan’ny lalàna mfehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka nivoaka ny taona 2018, ary mbola manan-kery hatramin’izao. Tsy misy mihitsy, hoy izy, antony hanaovana charte etsy sy eroa fa fifidianana no tokony hirosoana. “Amiko tomponandraikitra daholo ny mpanao politika. Tsy voatery hoe afatotrana Sonia karakarain’ny fiarahamonimpirenena”, hoy ny fanazavana.




