PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: “Lasa mpitondra tenin’ny mpanohitra ireo Fiarahamonim-pirenena”

Namaky bantsilana ireo fomba fanaon’ireo mitonona ho firaisamonim-pirenena ankehitriny ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, izay sady Mpitondra tenin’ny Governemanta. Notsindriany fa efa lasa mpitondra tenin’ny mpanohitra eto Madagasikara mihitsy ireo milaza azy ho Fiarahamonim-pirenena. Amin’izao fotoana dia mandimby fitenenana amin’ny mpanohitra mihitsy ny fiarahamonim-pirenena sasany mangataka ny handravana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Olona tokony hitaiza ny vahoaka amin’ny fanarahan-dalàna izy kanefa lasa ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Fantatr’ireo fiarahamonim-pirenena tsara fa ny Lalàmpanorenana ihany no mamaritra ny endrikendrika sy ny firafitry ny HCC. Voalaza ao anatin’izany fa mandefa solontena iray avy ireo rafitra lehibe eto amin’ny Firenena, toy Filankevitra ambonin’ny Mpitsara, ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona. Ilay mpikamban’ny HCC  iray izay voalaza fa vadin’ny tomponandraikitra mpiara-miasa akaiky tamin’andriamatoa Andry Rajoelina fony izy Filoham-pirenena anefa dia tsy notendrena fa nofidian’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona. Tsy mitombina mihitsy, araka izany, ny fanenjehana ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina ho nanao kajikajy manokana tamin’ny fametrahana olona tao amin’ny HCC. Olona telo ihany no anjarany no nanendry azy tao amin’ny HCC, araka ny voalazan’ny lalàna ihany, izay tsy ny Filoha Rajoelina no nametraka azy. Ny mahagaga, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, dia tsy nipetraka ny olana tamin’ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina nanaraka an’ilay voalazan’ny lalàna fa rehefa ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina dia lasa ametrahan’ny mpanohitra olana be.

Ao anatin’izao adihevitra politika mandeha izao dia milaza ho tsy miandany ireo fiarahamonim-pirenena, kanefa rehefa jerena ireo karazana fanehoan-kevitra samihafa dia hita mibaribary fa miandany amin’ny mpanohitra. Isan’ny mampametra-panontaniana izao ny fahefana ananan’ireo fiarahamonim-pirenena mamory ireo kandida Filoham-pirenena miisa 11, kanefa izy ireo tsy rafitra anatin’ny lalàna voasokajy ho mpanomana ny fifidianana. Ankoatra izay, nisy ny fihaonan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanohitra andro vitsy lasa izay, teny Ankerana, izay toerana efa fantatra ny tompony fa olona tsy mankasitraka an’izao Fitondrana izao. Etsy ankilany, milaza ho “neutre” ireo firaisamonim-pirenena kanefa hoe manohitra ny tsy fanarahan-dalàna, mampametra-panontaniana aloha hoe inona ilay tsy ara-dalàna? Raha toa ka manana vina handamina ny fiarahamonim-pirenena dia tsy tokony tonga dia hametraka aty am-boalohany hoe ity no ara-dalàna na tsia, araka ny fanehoan-keviny.

Lasa mpikaramanady politika ny firaisamonim-pirenena, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. “Iantsorohy ny safidy politika ataonareo, dia manangana antoko politika”, hoy izy namaly ireo fiarahamonim-pirenena mialokaloka amin’izay sata izay kanefa manao politika tanteraka. Ilay tena iraka tokony hosahanin’ireo fiarahamonim-pirenena anefa tsy tratra. Raha tsy ilaza afatsy fanentanana ny olom-pirenena hiditra anaty lisitry ny mpifidy izay lasa 11 tapitrisa mahery, kanefa 13 tapitrisa no tanjona. Ao anatin’ireny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy ireny dia nisy fiarahamonim-pirenena izay nahazo famatsiam-bola manodidina ny 1 tapitrisa euro, fa tsy nahavita ny asany.       

Fermer