PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : « Mazava ny tsy fitiavan’ny vahoaka intsony ny fanoherana eto amintsika »
Namaky bantsilana ny fikasana fanakorontanana ataon’ny mpanohitra ankehitriny manoloana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina farany teo, ny vondron’antoko mitambatra manohana ny Filoha Rajoelina Andry. Izany dia araraotin’ny mpanohitra anaovana fikononkononana fanakorontanana sy fikasana hambolena krizy politika vaovao eto amin’ny firenena…
Mila fitoniana goavana ny firenena manoloana ny zava-misy iraisam-pirenena izay miha sarotra amin’izao fotoana izao. Mangataka ny fisian’ny porofo mazava enti-milaza fisiana hala-bato lazain’ny mpanohitra ny vondron’antoko politika manohana ny Filoha. Hatreto, tsy mbola misy porofo hoy izy ireo, ary raha ny tarehimarika ofisialy navoakan’ny CENI mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana avy amin’ny didy hitsivolana avoakan’ny fitsarana no ambaran’ny mpanohitra ho porofon’izany hala-bato izany, dia diso hevitra izy ireo. Raha hala-bato na zavatra nafenimpenina dia tsy hisy famoahana ofisialy io didy hitsivolana io nataon’ny CENI, fa matoa navoaka mangarahara tsy nisy nafenina dia ara-dalàna. Manoloana ireo fitarainana marobe tsy nahatafiditra olona maro tanaty lisi-pifidianana, dia ny tsy hahavery zo azy ireny no nanatanterahana ny didy hitsivolana io, izay lazaina indray fa nisy hala-bato. Nomarihan-dRamatoa Rakotondrazafy Lalatiana, Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, fa “sahinay ny milaza fa tsy ny Fitondram-panjakna fa ny mpanohitra no tena manam-pahaizana amin’ny hala-bato, ary tsy vitsy izahay no lasibatr’io tamin’ireo fifidianana teo aloha, izay tsy azo hodian-tsy hita”.
Fandresena tamin’ny rariny
Raha resaka fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra dia tsy nisy nahavita ny vitan’ny kandidà Ramanantsoa Harilala, izay kandidà IRMAR. Rariny ny fandresena azony, satria nandritra ny fampielezan-kevitra dia izy irery no tokana nijery sy niasa tamin’ny fitsinjovana ny vahoakan’Antananarivo Renivohitra, tamin’ny alalan’ireo hetsika ara-tsosialy maro samihafa. Ary ireo olona mpisitraka tamin’ny fanomezana sosialy nataony dia nahay nankasitraka sy namaly fitia azy tamin’ny fandatsaham-bato. Ny Fitondram-panjakana koa dia teo foana na inona olana nisy teto amin’ny firenena, ary tsy vao izao no nisian’ny fizarana tosika ara-tsosialy teto, toy ny tamin’ny Covid-19 nisy vatsy tsinjo sy tosika fameno, tsimbina, sy ny sisa, ka tsy tokony hahagaga ny fandresen-dRamatoa Ramanantsoa Harilala. Ny mpanohitra ihany koa dia mihevitra ny vahoakan’Antananarivo fa tsy mahatadidy ny fahirano nanaovan-dRavalomanana ny mponin’Antananarivo, toy ny fanidiana ny fiangonana zandriny, ny mpivarotra noroahiny nanaovana bizna tamin’ny “box” ho an’ny mahitahita, sy ny sisa. Izany anefa, dia tadidin’ny vahoakan’Antananarivo avokoa, ary ny ny kandidà Harilala Ramanantsoa irery no vehivavy nahavita nitety ny fokontany 192 teto Antananarivo Renivohitra, isaky ny elakelan-trano dia nahazo ny foto-kevitra nijoroany sy ny programan’asany. Araka izany, raha ireo antony ara-tsosialy sy araka programan’asa ireo dia maharesy lahatra ireo vahoaka maro nifidy azy. « Ny tiako Madagasikara na vondrona firaisankina izany, dia anarana ihany sisa, satria ny fifanandrinan-kery nanomboka tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy fifidianana Depiote sy Ben’ny tanàna dia natanjaka hatrany ny vondrona IRMAR, izay tsy mampitombina ny filazana hala-bato.
Antontanisa miteny
Nanome antontanisa milaza ny tsy fitiavan’ny vahoaka ny fanoherana i Rakotondrazafy Lalatiana. Antontanisa tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna dia milaza, fa tsy mila ny antoko TIM intsony ny vahoaka malagasy, ary tsy mila fanakorontanana intsony ny vahoaka. Fanatatra mantsy, fa 38 monja ny Ben’ny tanàna azon’ny TIM, raha 967 ny an’ny IRMAR, izay tsy mifampitaha velively. Na ny tsy miankina aza, nahazo 474 Ben’ny tanàna, raha ny Firaisan-kina 13, izay milaza fa vondrona matanjaka. Ny antook Freedom moa nahazo isa 16, ka tsy tokony holazaina akory ny hoe ‘hala-bato” fa mazava ny tsy fitiavan’ny vahoaka intsony ny fanoherana izay tsy mivoy afa-tsy ny fankahalahana sy fanakorontanana tao anaty dimy taona mahery izao. Nomarihany araka izany, fa “tsy misy toerana intsony mikasika ny fanakorontanana eto amin’ny firenena, ary miandry am-pitoniana ny voka-pifidianaa ofisialy isika, ka ny vondron’antoko miaraka amin’ny Filoha dia mahatoky ny vahoaka malagasy, fa tsy ho voasarika amin’ny fanakorontanana fa hiroso sy hifanome tanana hifampitantana hiatrika izay fanamby entin’ity taona 2025 ity.
Stan R.



