PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY – METFP: Ny vokatry ny asa atao no ifampitsarana…
Nandray ny asany omaly ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa (METFP) vaovao, Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany nandritra ny fihaonana voalohany teo aminy sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ity Minisitera ity, ny maha zava-dehibe ny fampitoviana fomba fijery sy fananana tanjona iombonana mba hahazoana vokatra amin’ny asa atao. Ary koa, ny vokatra ny asa atao ihany no ifampitsarana, hoy izy, ka tokony hatsahatra ireo resabe aely mialohan’ny fotoana.
Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanatanterahan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa vaovao, Lalatiana Rakotondrazafy, sy ny teo aloha Vavitsara Gabriella Rahantanirina, ny fifamindram-pahefana, omaly teny amin’ny Biraon’ny Minisitera. Nisongadina ny zava-bita teo anivon’ity Minisitera ity nandritra ny fepotoam-piasana voalohan’ny Filohan’ny Repoblika. Naneho ny fahavononany hanohy izany ezaka izany ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, raha nitondra fanazavana omaly. « Tsy mihambo hahavita mihoatra noho ny teo aloha aho saingy kosa hiezaka hitondra izay farahery ho fampivoarana ny tanora malagasy izay miandrandra asa mivaingana », hoy ny fanazavany.
Nasiany resaka manokana ireo resabe mihodina manodidina ny fanendrena azy isahana ity departemanta minisiterialy ity. Raha ny fanazavany, dia ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra mihitsy no nanolo-kevitra azy handray io Minisitera io, ary nanaiky izany ny tenany rehefa avy nandinika lalina. “Mino aho fa tsy adala ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra nanendry ahy ho eo amin’ity toerana ity fa misy vokatra andrasan’izy ireo amiko”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Nohantitranteriny teo anoloan’ireo mpiara-miasa fa ny asa vita ihany no tokony hifampitsarana, ka tsy tokony hisy ny resabe aty alohan’ny hanaovana ny asa. “Avelao aho hiasa aloha dia hita eo hoe vitan’i Lalatiana ve ilay asa sa tsia?” hoy indrindra ny fanehoan-kevitra.
Tetsy ankilany, naneho fahavononana ny hifanome tanana amin’ny Minisitra vaovao ireo Mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa. Zava-dehibe, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, ny fitoviana fomba fijery sy vina amin’ny fanatanterahana asa ka niantsoany ireo mpiara-miasa rehetra mba hanana izay tanjona iombonana izay.
Ny mombamomba ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Lalatiana Rakotondrazafy:
Nanomboka ny volana Febroary 2021 izy dia manomana Ph.D amin’ny « International Relations and Diplomacy » ao amin’ny Hautes Etudes Internationales et Politiques (HEIP) Paris France. Ny taona 2012 kosa no nahazo Master Business Administration (MBA) International : co-diplomation de l’Université Paris Dauphine et de l’Institute d’Administration d’Entreprises Panthéon – Sorbonne.
Ny Ministra Lalatiana Rakotondrazafy dia mpanao gazety ary manana mari-pahaizana Master Spécialisé en Journalisme tao amin’ny UFR Journalisme, Oniversite an’Antananarivo. Nanaraka fiofanana ary nahazo ny mari-pahaizana Master en Droit Public, Option Sciences Politiques, tao amin’ny oniversite an’Antananarivo ihany koa.
Raha ny sehatr’asa nolalovany kosa dia efa Minisitra ny Serasera sy ny Kolotsaina ary mpitondra-tenin’ny Governemanta izy ny taona 2019 hatramin’ny taona 2023. Efa mpanolo-tsaina manokana ny Praiministra ihany koa izy ny volana Jona 2018 hatramin’ny volana Janoary 2019. Ny taona 2015 hatramin’ny 2018 dia mpanolotsaina monisipaly ny Kaominina renivohitry ny Antananarivo ary efa mpanolo-tsaina serasera ny filohan’ny Tetezamita ny volana May 2009 hatramin’ny volana Aprily 2011.
Isany vehivavy mpandraharaha ihany koa ny Ministra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY. Izy no namorona ny gazety an-tsoratra « Free news » Quotidien d’Information, d’analyse et d’investigation sy nanangana ny onjapeo « Free FM », ary nitantana an’io ny volana Mai 2011 hatramin’ny volana Janoary 2019.
Teo amin’ny tontolon’ny asa fanavaon-gazety dia « Journaliste Reporter » , « Chroniqueur Politique », « Rédactrice en Chef » sy « Directrice de Publication » ny orinasan-gazety maro toy ny Radio Antsiva, Groupe MA-TV, groupe RTA, Groupe VIVA ny volana mai 2000 hatramin’ny volana aprily 2011.
Vehivavy mpanao politika ihany koa ny Ministra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, izy no namorona ary filoha nasionaly ny antoko politika, sosialy-demokratika FREEDOM.
Raha fintinina vehivavy manam-pahaizana sy manam-pahalalana ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa. Mpandraharaha izy ary manana orinasa izay mampiasa tanora maro.
Mpisehatra mafana fo ara-politika ihany koa ny tenany. Ary manana tanjona iarahany amin’ny filohan’ny Repoblikan’i Andry Rajoelina dia ny hampandroso an’ i Madagasikara.




