PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Nanao fanamby ny hampivoarana ireo Kaominina rehetra ao Faratsiho
Mitohy tsy mitsahatra ny fitetezana ireo kaominina samihafa ao anatin’ny Distrikan’i Faratsiho, ataon-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, ho fanolorana ireo kandidà ben’ny tanàna milatsaka amin’ny anaran’ny Vovonana « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR ».
Omaly dia tao Miandrarivo indray no nandehanany. “Tohina ny fo tamin’ireo vahoaka maro be tonga nanatrika ny fotoana, tena mariky ny fifankatiavana tsy miova”, hoy indrindra izy. Nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoakan’i Miandrarivo omaly no nanamafisany ny fanoloran-tenany ho an’ny Distrikan’i Faratsiho. Tsy mitombina, hoy izy, ny filazana fa nailiky ny Filoha Andry Rajoelina ny tenany, ka tsy natao Minisitra intsony. “Izaho mihitsy no niteny tamin’ny Filohan’ny Repoblika hoe aleo aloha aho tsy hanao minisitra mba hahafahako miasa bebe kokoa ho an’i Faratsiho, dia inty aho tonga aty aminareo izao”, hoy izy tao anatin’ny lahateniny.
Tsara ho fantatra fa atoa Randriavoson no kandida IRMAR any Miandrarivo Faratsiho. Efa ben’ny tanàna teo ihany izy no niverina nilatsaka hanohy ny zava-bita maro niarahana nanao tany ho fanasoavana ny vahoaka. “Notazominay ny fanamby hampivoatra ity kaominina ity, sy ireo kaominina hafa rehetra ato anatin’ny Disitrika”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy. Teny nataony tamin’ireo vahoaka moa ny tokony hametrahana olona azony hiarahana miasa mba hitohizan’ny asa rehetra efa natomboka tany Miandrarivo.
Nandritra ny fotoana omaly no nanolorana ireo andiana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro hanampiana ireo maro be efa nomena teo aloha, hanazavana ny fokontany rehetra ao anatin’ny Kaominina.




