PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY TAO VINANINONY : « Hotohizantsika hatrany ny asa ho an’i Faratsiho »

Tsy nampihemotra mihitsy an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny halabato sy ny tsy fahamarinana niseho nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, ka nahatonga azy noresena, ary nampandaniana ny kandidàn’ny fanoherana. Nambara omaly nandritra ny diany tao amin’ny kaominina Vinaninony fa hitohy hiasa ho an’i Faratsiho hatrany ny tenany. « Izaho anie manana ny fiainako e, izaho manana ny asako sy ny orinasako, fa matoa aho tonga aty aminareo dia mahatsapa fa misy asa tokony ho atao ho an’ny vahoakan’i Faratsiho sy ny vahoakan’i Vinaninony. Asa izay azon’ny tena tanterahina ihany », hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, omaly, tao amin’ny Kaominina Vinaninony.
Paikady maloto
Nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka omaly, noho izany, no nanolorany tamin’ny fomba ofisialy ny Kandidà-n’ny Vovonana « Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina – IRMAR » ao amin’ny Kaominina Vinaninony, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, izay tsy hafa fa andriamatoa Tinasoa Nirina Théophile dit Papa Niry. Tao anatin’ny fanolorana azy dia nanafatrafatra Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy tokony ho voafitaka fanindrony intsony ny vahoakan’i Vinaninony. Fotoana izay nampafantarany fa anisan’ny paikady nataon’ny mpifanandrina taminy nandritra ireny fifidianana Solombavambahoaka ireny ny tsy famelana hifidy ireo mpomba an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy tamina birao fandatsaham-bato maromaro tany an-toerana. Paikadin’ny fanoherana tamin’ireny fifidianana ireny koa ny fanakanana ireo olona handrotsa-bato ka tambazana vola 5 000 ariary na 10 000 Ariary mba handrotsaka ireo biletà efa voamarika. Ary farany ny firaisana tsikombakomba amin’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana, izay mpiara-dia amin’ny fanoherana ihany. Nohamafisin’i Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy maintsy olona eken’ny fokonolona no atao biraom-pifidianana fa tsy izay tian’ny mpanohitra.
Haingon’ny Tanàna
Nandritra ity diany tao Vinaninony ity no nanindrian-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa noho ny ezaka sy ny adisisika nataony tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Ministry ny Angovo tamin’izany, no nahatanteraka ilay tetikasa LEAD tao amin’ny Kaominina Vinaninony, hitondra herinaratra ho an’ny vahoaka. Ho an’ny omaly manokana, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 10 no natolony izay hapetraka ho fahazavana sy ho fanatsarana ny tanàna. Nanome toky ihany koa ny tenany fa tsy maintsy hapetraka ao an-toerana ny « Poste avancé » an’ny zandary mba hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana. Efa fampanantenana nataony nanditra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Solombavambahoaka rahateo izany.
Fangatahana maro ihany koa no nanararaotan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, novaliana omaly. Amin’ny ankapobeny dia fampitaovana ilay amin’ny tao-trano ireo fangatahana, toy ny simenitra, tafo fanitso sy ny sisa.
Nohantitranteriny fa tsy afaka hiara-hiasa amin’ny ben’ny tanàna tsy fantany ny tenany;

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer