PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Voatendry ho Loholon’i Madagasikara
Araka ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha 81 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha 7 vaovao sy ny andininy faha 123 andalana faha 3 ao amin’ny lalàna fehizoro nasiam-panovana laharana faha 2015-007 tamin’ny 03 martsa 2015, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara dia manendry ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona an-dRamatoa Rakotondrazafy Lalatiana.
Noraisina omaly ny Didim-panjakana laharana faha 2025-141 tamin’ny 06 febroary 2025 manendry Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Filohan’ny Repoblika. Araka ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha 81 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha 7 vaovao sy ny andininy faha 123 andalana faha 3 ao amin’ny lalàna fehizoro nasiam-panovana laharana faha 2015-007 tamin’ny 03 martsa 2015, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara dia nanendry ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona an-dRamatoa Rakotondrazafy Lalatiana.
Marihina fa izy dia hisolo ny Loholona teo aloha Itompokolahy Richard Ramanambitana, voatendry ho Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, izay nodimandry ny volana septambra 2024. Nisy fahabangana araka izany ny toerany teo anivon’ny Antenimierandoholona ka izao nanendrena an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy izao.
Marihina fa nialohan’ny nanendrena azy amin’izao toerana izao dia fantatra tamin’ny naha mpikamban’ny Governemanta azy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Izy izay efa nisahana ny andraikitra maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy, ary efa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ihany koa. Olon’ny asa izy, ary nahazo vokatra hatrany tamin’ireo departemanta ministerialy nosahaniny. Ankehitriny, voatendry amin’ny rafitra mpanao lalàna indray ny tenany.
Andininy faha-81
Tsiahivina fa araka ny andininy faha-81 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia ny Antenimierandoholona no misolo tena ireo Vondrom-bahoaka Itsinjarampahefana sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena ary ara-tsosialy. Izany dia ahitana, ho
an’ny roa ampahatelony, mpikambana voafidy mitovy isa ho an’ny Faritany tsirairay, ny iray
ampahatelony dia mpikambana tendren’ny Filohan’ny Repoblika, ny ampahany araka ny
fanolorana ataon’ny vondrona izay mahasolo-tena be indrindra avy amin’ny hery aratoekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina, ny ampahany noho ny fahaizana manokana.
Ny andininy faha-82 kosa dia milaza fa Lalàna fehizoro no mamaritra ny fitsipika momba ny fampandehanandraharaha sy ny firafitry ny Antenimierandoholona. Torak’izany koa ny fomba fifidianana ny fanendrena ny mpikambana ao aminy.



