PolitikaSongadim-baovao
LANONAM-PIANIANAN’NY FILOHA: Fiaingana vaovao ho an’i Madagasikara ny anio
Fotoan-dehibe manamarika indray ny tantaran’ny firenena malagasy ny anio, izay handraisana ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika voafidim-bahoaka, Andry Rajoelina, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fiaingana vaovao ho an’i Madagasikara indray, araka izany, ity anio ity satria ankoatra ny fanohizana ireo tetikasa efa natomboka teo aloha dia manana vina vaovao ihany koa ny Filoha Rajoelina entina hanafainganana bebe kokoa ny fampandrosoana.
Ity andron’ny 16 desambra 2023 ity no fanombohan’ny fepotoam-piasana vaovao indray ho an’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Anio tokoa no hiseho ny lanonana ara-pitsarana lehibe handraisan’ny eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny fianianana ataon’i Andry Rajoelina amin’ny maha Filoha lanim-bahoaka azy. Anio koa no handray ny mariboninahitra sy ny samboady manamarika ny fandraisany indray ny fitantanana ny firenena i Andry Rajoelina.
Fiaingana vaovao ho an’i Andry Rajoelina ity anio ity. Ny tenany izay efa nitondra teto amin’ny firenena tato anatin’ny dimy taona farany. Tsy ho azy ihany anefa fa fiaingana vaovao ho an’i Madagasikara ihany koa ity anio ity, satria misy drafitrasa sy vina vaovao apetraky ny Filoha voafidy. Isan’ireo goavana indrindra ao anatin’izany ny fanomezan-danja betsaka ny lafiny sosialy. Ankoatra ireo tetikasa fizarana fanampiana ho an’ireo olona tena marefo, izay efa nambaran’ny Filoha, dia ho ataon’ny Fanjakana laharam-pahefana ihany koa manomboka izao ny famoronana asa ho an’ireny sokajin’olona ireny. Hisy koa vina fampiofanana ho an’ny tanora mba afaka iditra eo amin’ny sehatry ny asa. Izany hoe, ezahina ho atosika hamokatra avokoa ny rehetra mba ho hery ho an’ny toekarentsika.
Ankoatra izay, isan’ireo paikady hampandrosoana ny firenena, nambaran’ny Filoha ny fampiroboroboana ny indostria. Ity farany izay manana tanjona ny hamorona asa ho an’ny tanora. Eo koa ny famokarana eto amintsika ny zavatra ilaintsika, izay mitondra antsika mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ampirisihina amin’ny famoronana indostria ny Malagasy, ary antsoina hampiasa vola eto amintsika ihany koa ireo teknisianina sy mpandraharaha maro avy any ivelany, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny pitsopitsony araka ny lalàna sy tontolo hahafahan’izy ireo mampiasa vola.
Na ny iraka voalohany hampanaovin’ny Filohan’ny Repoblika ny Governamanta izay ho atsangany afaka andro vitsy aza dia miompana amin’ny fanakaikezana vahoaka sy ny fanasoavana azy ireo mba hipaka isan-tokantrano ny fampandrosoana. Na ny mason-tsivana isafidianana ireo Minisitra aza dia mifanaraka amin’izay iraka hotanterahiny izay. Fehiny, nahazo aim-bao enti-mitondra ny firenena indray ny Filoha Rajoelina taorian’ny fahalaniany tamin’ny fifidianana farany teo, izay fanantenana vaovao ihany koa ho an’ny Malagasy.




