Songadim-baovao

Lanonana fanaovam-beloma sy fitsofan-drano : Mendrika alain-tahaka ny zava-bitan’ ny Jly Ravalomanana Richard

« Lanonam-pandresena » izay no azo amintinana ny lanonana ara-pomba miaramila nanaovam-beloma sy nitsofan-drano (Adieu aux Armes) ny Jly Ravalomanana Richard, izay Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria teo aloha, andeha hisitraka fisotroan-dronono, ny sabotsy 11 septambra 2021, tetsy amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy etsy Betongolo.

Nahavita be teo anivon’ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard.

Nandritra ny lanonana fanaovam-beloma sy fitsofan-drano ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard, nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana sy medaly volamenan’ny zandarimaria (Médaille de la Gendarmerie nationale, échellon or) avy amin’ny Filoham-pirenena ary mari-pahatsiarovana sabatra sy faneva ho azy. Marihina fa lanonana ara-miaramila, fomba amam-panao zary soatoavina eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena izao natao izao entina anehoana ny fankasitrahana ny asa fanompoan-tanindrazana vitan’ny zandary iray nandritra izy tam-perinasa ka nahatody soa aman-tsara ny fotoana hisotroan-dronono. Fony ny Jly Ravalomanana Richard, mbola Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena no namoronana ny lanonana toa izany ary notohizina satria hita fa tsara. Raha atotaly dia 40 taona sy 11 volana ary 23 andro no vitan’ny Jly Ravalomanana Richard teo anivon’ny Foloalindahy ka ny 39 taona latsaka tamin’ireo, dia teo anivon’ny Zandarimaria, raha ny 3 taona kosa, tao amin’ny Akademia Miaramila (andiany mivantana faha-13).

Reharehan’ny Zandarimaria…

Reharehan’ny Zandarimaria ny nanana azy noho ireo asa vitany. Olona kinga saina sy be herim-po amin’ny fitiavan-tanindrazana, nanokan-tena ho an’ny Tanindrazana hatramin’ny fahatanorany ka mandraka ankehitriny. Tia manoro hevitra sy mampita ny traikefany. Teo amin’ny sehatra arakasa sy ara-miaramila, manana mari-pahaizana maro izy, izay nentiny nampiharina hanasoavana ny mpiray tanindrazana. Nampihetsi-po ny niainana ity fanaovam-beloma ity, raha nahita ireo rindran-danonana nanolorana faneva sy sabatra fahatsiarovana, izay nanamarihana ny nahavitany ny fanompoana ny Tanindrazana tao anaty fomba fiasa azo alain-tahaka. Nisy mihitsy aza moa ireo nanatrika ny lanonana no latsa-dranomasom-pifaliana nandritra  ny fotoana nanaovana ny hofahofa tanana fanaovam-beloma azy. Ny fanompoam-pirenana teo ambany faneva no vita, fa raha ny fanompoan-tanindrazana dia mbola mitohy ny azy, raha araka ny fahitana ny fitiavan-tanindrazana mikoriana ao anatiny. Ny manamboninahitra jeneraly rahateo, mbola azo antsoina hatrany raha misy ilàn’ny Firenena azy fa tsy misy hoe misotro ronono toy ny mpiasam-panjakana sivily.

Hiezaka hanao ny tsara hatrany…

Lanonam-pandresena ho an’ny Seg teo aloha, Jly Ravalomanana Richard, ny sabotsy teo.

Vonona hatrany izy hizara ireo fahaiza-manao sy traikefa amin’ireo zandry mbola amperinasa, raha araka ny lahateniny. Nandritra ny lahatenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Serge Gellé dia nivoitra ny fisaorana sy firarian-tsoa ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ireo asa tsara vitany sy ireo fanatsarana ary fanitsiana nataony nandritra ny fotoana niasany teo anivon’ity sehatrasa ity sy nandritra ny naha mpitantana ambony azy. Nitondra zava-baovao sy fanatsarana maro ary nitondra avo ny anaran’ny Zandarimaria ny SEG teo aloha, hoy izy, ka mendrika ny hotolorana izao mari-pankasitrahana sy mari-pahatsiarovana izao, ary vonona izahay ny hiezaka hanao ny tsaratsara kokoa. Ny Jeneraly Richard Ravalomanana kosa,  nisaotra ireo ankohonany sy ireo manodidina nanampy azy nandritra ny fanatanterahany ny asany ka nahatongavany tamin’izao fisotroan-drononony izao ary nomeny mari-pahatsiarovana. Tsy nohadinony  koa ny nitso-drano ireo zandry mahaleo mahalasa, izay hifandimby hisolo toerana ahavita mihoatra kokoa ny vitany nandritra ny nandalovany teo anivon’ny Zandarimaria. Tonga nanome voninahitra ny lanonana, ny  Minisitry ny Fiarovam-pirenena, nisolo tena ny Filoham-pirenena, Lehibe faratampon’ny Foloalindahy; ireo Minisitra sy ireo olom-boafidy; ireo masoivohom-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara ary ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila maro. Lanonana natao teo ambany fiahian’ny Jly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andriatsarafara, Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena.

Fermer