Songadim-baovaoSosialy
LAPAN’ANDAFIAVARATRA: Haranty an-tsary ireo ezaka atao amin’ny fanaovam-baksiny manerana ny Nosy
Napetraky ny Filohan’ny Repoblika ho taonan’ny fanaovam-baksiny ity taona 2024 ity, ho fanamafisana ny ezaka fiarovana ny ankizy tsirairay amin’ny aretina azo sorohana. Fanamby napetraka ny hanatrarana ny fanaovam-baksiny ireo zaza « zero dose » maherin’ny 1 000 000 manerana ny Nosy. Tao anatin’ireo hetsika 6 fanaovana vaksiny faobe teto Madagasikara tamin’ny ity taona ity, izay nanaovana ny vaksiny fanefitry ny polio sy ny vaksiny fanefitry ny kitrotro na rougeole, dia efa hita taratra fa efa miha-resy lahatra sy marisika ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hatao vaksiny. Nanampy betsaka tamin’ny fahazoana vokatra tsara ihany koa ny fijoroan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina.
Olona an’arivony no miasa mangina, milofo ambadiky ny fanamby amin’ny fanatrarana ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara. Izany indrindra no antom-pisian’ny fampirantiana sary etsy amin’ny Lapan’Andafiavaratra izay mampisongadina ny fahasahiana sy ny finiavana, ny ady atrehin’ny vondrom-piarahamonina, ary ny toe-draharaha manahirana izay manodidina ny fanatanterahana ireo hetsika fanaovam-baksiny.
Fahasahiana sy finiavana
Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Lapan’Andafiavaratra teo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika Ramatoa Mialy Rajoelina ny fampirantiana sary mitondra ny lohahevitra hoe : « Humainement possible – vaccination pour tous ». Ity fampirantiana sary ity dia natao hampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fanafoanana ny aretina lefakozatra, ny fampiroboroboana ny vaksiny mahazatra, ary ny fahatrarana ireo ankizy mbola tsy nahazo vaksiny mihitsy « zero dose », na tsy ampy vaksiny.
Ahitana sary maherin’ny telopolo ity famelabelarana ity, izay maneho ny ezaka miavaka ataon’ireo mpisehatra amin’ny fahatrarana ny ankizy tsirairay, na dia any amin’ireo toerana sarotra aleha indrindra aza. Miseho ao amin’ireo sary ireo ny fahasahiana sy ny finiavana, ny ady atrehin’ny vondrom-piarahamonina, ary ny toe-draharaha manahirana izay manodidina ny fanatanterahana ireo hetsika fanaovam-baksiny.
Aretina azo sorohina
Tafiditra ao anatin’ny hetsika maneran-tany « Humainement possible » ity fampirantiana ity, izay miantso ny rehetra mba hanome lanja manokana ny fanaovam-baksiny sy hampitombo ny famatsiam-bola ilaina amin’izany. « Ny fanaovam-baksiny dia tsy fiarovana ho an’ny ankizy fotsiny ihany, fa manampy ny fiarahamonina ihany koa mba ho afaka miatrika ireo aretina azo sorohina », hoy Ramatoa Mialy Rajoelina tao anatin’ny lahateniny omaly.
Taorian’ny fanokafana tetsy Andafiavaratra omaly dia azon’ny rehetra tsidihana ny fampirantiana sary, ny 20 hatramin’ny 22 Novambra eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ary ny 23 hatramin’ny 26 Novambra kosa eny amin’ny La City Ivandry. Aorian’izay dia entina mitety Faritra ity hetsika fampirantiana sary momba ny fanaovam-baksiny ity.




