Songadim-baovao
LAPAN’I MANAMPISOA SY TRANOVOLA ENY MANJAKAMIADANA : Harenina hiverina amin’ny endriny tany am-piandohana
Niteraka resabe tany anaty tambajotra ara-tsosialy ny fanohizana ny asa fanavaozana ny vakoka ao amin’ny Rovan’i Madagasikara, izay nametrahan’ny Fitondram-panjakana fanamby goavana. Tsy maintsy arahina antsakany sy andavany avokoa ny fanavaozana, izay manaraka ny fenitra iraisampirenena momba ny fikojana ny vakoka. Tsy mijanona amin’ny endriny amin’izao ny Lapan’i Manampisoa sy ny Tranovola, fa tsy maintsy harenina sy haverina amin’ny endriny tany am-piandohana, raha ny fanazavan’ny Mpitantana ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara, omaly tetsy Anosy…

Niteraka resabe tany anaty tambajotra ara-tsosialy ny fanohizana ny asa fanavaozana ny vakoka ao amin’ny Rovan’i Madagasikara, izay nametrahan’ny Fitondram-panjakana fanamby goavana. Tsy mitombina anefa ny adihevitra apetraka momba ireo filazana fa hanaovana fananganana zavatra hafa eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Tsy maintsy arahina antsakany sy andavany avokoa ny fanavaozana, izay manaraka ny fenitra iraisampirenena momba ny fikojana ny vakoka. Tsy mijanona amin’ny endriny amin’izao ny Lapan’i Manampisoa sy ny Tranovola, fa tsy maintsy harenina sy haverina amin’ny endriny tany am-piandohana. « Ny endriny tany am-piandohana no ho hita eo amin’ny Rovan’i Madagasikara rehefa vita ny fanamboarana ny Lapan’i Manampisoa sy ny Tranovola », hoy ny Mpanoa ny ela sady Mpitantana ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (ORMada), Rakotondrabao Aro Ilon’Aina, omaly tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny andraikitry ny Ofisin’i Madagasikara, ny fiarovana ny taotrano sy ny kojakoja voatahiry ao amin’ny Rova, manoloana ny mety ho trangana haintrano sy horohorontany ary loza samihafa. Izany no mahatonga ny fampiasana akora fanorenana mafy ankoatra ny hazo. « Na izany aza, tsy maintsy mifototra amin’ny fitahirizana sy fampitana ny harem-bakoka sy soatoavina ao amin’ny Rova ny iraka sahanina. Izany no tsy maintsy amerenana amin’ny laoniny ny endriky ny Lapa asiana fanarenana, toy ny efa natao tamin’ny Lapan’i Manjakamiadana », hoy izy. Fiezahana hanarenana araka izay tratra ny zavatra na endrika nisy teo aloha, rehefa miroso amin’ny fanavaozana vakoka toa izao. Tsy mandehandeha foana ny dingana tanterahin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, tamin’ny fametrahana izany fotodrafitrasa izany. Raha ireo miteraka resabe, dia dingana amin’ny fanamboarana ireny, fa tsy io no farany hita momba ireo Lapa roa ireo, raha ny fanampim-panazavana.
Nisy dingana narahina ny Minisitera…

Nandalo fankatoavan’ny Komity siantifika sy ny tekinisianina manokana vao tonga amin’izao dingana izao ny minisitera misahana ny kolontsaina. Nisy ny fakan-kevitra nandritra ny fampahafantarana ny asa atao. Anisan’ny efa hitan’ny tekinisianina tao anatin’izany, ny resaka vesatra zakan’iny toerana eny ambony eny. Nahitsy kosa, ny Mpitantana ny ofisin’i Rovan’i Madagasikara fa « manavaka tanteraka ao anatin’ny kolontsaina, ny amin’ny resaka finoana sy soatoavina. Tsy miditra amin’ny lafiny fombafomba amam-panao, raha toa ka misy singa mifanohitra izany rafitra izany ». Ny lafiny teknika toy ny fiarovana ny fotodrafitrasa sy taotrano, ny kojakoja nampiasain’ny Mpanjaka ary ny soatoavina sy harem-bakoka tsy hita maso no andraikitry ny Ofisy. Mikasika ny lafiny finoana, ohatra, ahitana toe-javatra roa mifanohitra ny ao Anatirova. Maneho izany ny fisian’ny Fiangonana, izay finoana kristianina, sy ny fombafomba malagasy nifandovana”, hoy ny Mpanoa ny ela, Rakotondrabao Aro Ilon’Aina. Tiana ny manamarika fa mbola tsy afaka manokatra ny Rovan’i Madagasikara ho an’ny mpitsidika ny tomponandraikitra amin’izao, ho fiarovana ny olona manoloana ny fisian’ny asa fanamboarana. Hifampidinihana, ary tsy maintsy hambara amin’ny fotoana mahamety azy izany.




