SamihafaSongadim-baovaoSosialy

LAVADRANO ETO ANDRENIVOHITRA: Hapetraka ny fitaovana manokana hanadiovana ny rano

Tsaho niely voalohan’ny taorian’ny nandraisan’ny Filankevitry ny Minisitra fanapahan-kevitra mahakasika ny hametrahana lavadrano eto Antananarivo sy ny manodidina ny filazana fa rano maloto no kasain’ny Fitondram-panjakana homena ny vahoaka. Omaly, nandritra ny fanombohana ny asa fametrahana ny lavadrano voalohany tetsy Ambohidrapeto no nilazan’ny Minisitra tomponandraikitra fa efa misy fitaovana manokana hampiasaina hanadiovana ny rano, hitandrovana ny kalitaon’ny rano.

Misy ireo milaza fa hampisotro rano maloto ny vahoaka ny Fitondram-panjakana tamin’ny tetikasa fametrahana lavadrano eto Antananarivo sy ny manodidina. Nanamafy anefa ny Minisitra Voahary Rakotovelomanatsoa, omaly, fa efa misy ny fanadihadiana teknika natao, niaraka amin’ireo teknisianina manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny Rano, momba ny toerana hanatanterahana ny tetikasa. Tsara ho marihina fa sahabo any amin’ny 25 ka hatramin’ny 60 metatra any ambany tany any no hakana ny rano, io ilay antsoina hoe “nappe d’arène”, fa tsy toy ny halalin’ny vovon-drano tsotra. Ireo karazana rano roa ireo dia samy misy eto Antananarivo sy ny manodidina, saingy ny “nappe d’arène” no trandrahana amin’ny alalan’ny lavadrano. Izany rehetra izany dia mifandrimbona amin’ny fahazoana antoka amin’ny fahadiovan’ny rano. Etsy ankilany, raha momba ny kalitaon’ny rano hatrany, dia misy ny fitaovana fanadiovana ny rano, izay antony hananganana trano ho fiarovana ny fitaovana, ary koa honenan’ny olona hiambina ny tobin-drano.

Na izany aza anefa, ireo toromarika rehetra noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra dia mbola mipetraka avokoa, hoy ny Minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary. Isan’izany ny tokony hampiasana ny rano amin’ny fidiovana, fanasan-damba, sy fahandroina sakafo, ary hampangotrahana kosa ny rano vao azo sotroina.

Vitaina ao anatin’ny folo andro

Miroso ankehitriny ny asa fanamboarana ny lavadrano voalohany ao Antsahamasina, Kaominin’Ambohidrapeto, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Eo amin’ny rano 1m³ ka hatramin’ny 2m³ eo no vokatra isan’ora. Tonga tany an-toerana ny Minisitry ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa, omaly, nijery ny fizotry ny asa sy ny kalitaony, niaraka tamin’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Andry Ratsivahiny. Herinaratra avy amin’ny takelaka manodina ny taratry ny masoandro no mampihodina ny milina mampiakatra rano, nefa azo atao ihany koa ny mampandeha azy amin’ny herinaratry ny Jirama.

Tsara ho fantatra fa 46 ireo toerana eto Antananarivo iharan’ny tsy fisian-drano izay no hanatanterahana ny tetikasa. Anisany hisitraka ny tetikasa ny eny Andraisoro, Ambohidrapeto, Tsarahonenana, Ambatomaro, Ankatso, Ambavahaditokana, Ampitatafika, Malaza, Andoharanofotsy, Ilafy, Antsapandrano. Marihana fa anisany vahaolana ao anatin’ny Hamehana izao atao izao, saingy afaka mitondra mankany amin’ny vahaolana maharitra ihany koa.

Ao anatin’ny folo andro no hamitana ny Lavadrano iray, hoy ny fanazavana. Miara-miainga daholo anefa ny asa mandeha ankehitriny. Manana fitaovana maromaro ny Fitondram-panjakana hahafahana manatanteraka izany. Rehefa vita ny asa, toy ny toerana fakana rano rehetra, hoy ny Minisitra, dia hisy ny mpitantana ny toeram-pantsakana, ary afaka haka rano eo daholo ny rehetra. Besaka ireo mpanararaotra amin’ny endriny rehetra amin’ny famarotana rano, hoy izy. Noho izany, mila mitondra karinem-pokontany ireo izay hisitraka izany. Ho an’ity eny Antsahamasina Ambohidrapeto ity manokana, fianakaviana miisa 300 eo eo no hisitraka ny tetikasa. Izany hoe, olona 1500 eo ho eo, hoy ny fanazavana.

Fermer