Songadim-baovaoSosialy
LAVAKA BE TEO SOARANO: Vita ny asa fanamboaran-dalana
Nahitana fiforonana lavakabe teo ampitan’ny Buiding Ramaroson Soarano tamin’ny 15 febroary lasa teo. Ny fahabetsahan’ny rotsak’orana sy ny fandehanan’ny riaka mafy ary ny fantson-drano tsentsina sy simba tany ambanin’ny arabe no antony nahatonga io fahasimban-dalana io, araka ny fanazavan’ny teknisianina. Taorian’izay dia nifarimbona tamin’ny fifanomezan-tanana sy ny asa fanamboarana io ampahan-dalana simba io ireo sampan-draharaha maro eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP), ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ary ny orinasa Jirama. Araka izany, niandraikitra ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny fiarovana ireo mpampiasa lalana teny an-toerana ny CUA. Asa notanterahana ihany koa ny fanadiovana ireo fantsona tsentsina tao ambany.
Tanjona napetraka ny hanatanterana io asa fanamboaran-dalana io ao anatin’ny fotoana fohy. Nampahafantatra ny MPT omaly fa efa vita soa aman-tsara tamin’ny sabotsy alina teo ny asa fanamboarana maika. Izany hoe naharitra herinandro teo ny asa natao teo an-toerana. “Ankasitrahana ny fiaraha-mientan’ny rehetra tamin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, anisan’izany ny ny Laboratoara Nasionalin’ny Asa Vaventy sy ny Taotrano (LNTPB), niaraka tamin’ireo teknisianin’ny Kaomininina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny JIRAMA, ka nahatanterahana ny asa”, hoy ny Ministera. Na izany aza, fepetra mbola noraisina ny famerana ny vesatry ny fiara mandalo eo amin’io ampahan-dalana io, mba ho fikajiana azy. Taorian’io asa maika io dia mbola hisy ny asa maharitra ho tanterahina.
S.S




