Songadim-baovaoSosialy
LAZA ADINA SANDOKA APARITAKA MIALOHA: Handraisana fepetra ireo minia manakorontana ny fanadinana bakalorea
Dingana hamaritra ny lalan-kizoran’ireo mpianatra kilasy famaranana eo amin’ny lafiny fanabeazana ny anio. Hanomboka amin’ity datin’ny 22 jolay ity ny fanadinana bakalorea 2024, ary haharitra hatramin’ny 25 jolay ho avy izao izany ho an’ny sokajy ankapobeny. Mbola mitohy ny 29 jolay hatramin’ny 01 aogositra 2024 kosa ny fanadinana ho an’ireo mpiadina any amin’ny sokajy ankapobeny.
Miisa 218 359, raha tsiahivina, ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy. Mpiadina any amin’ny sokajy ankapobeny ny 207 097 amin’izy ireo. Hifaninana any amin’ny sokajy teknika kosa ny 11 262 ambiny. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 413 izy rehetra, ary ho hita amina efitranom-panadinana miisa 6 410. Marihina fa mbola betsaka mpiadina hatrany ny any amin’ny sokajy A2 ahitana mpianatra miisa 126 766, sy eto ny eto Antananarivo izay manana mpiadina miisa 80 435.
Manoloana izany, nitsodrano sy nametrapetraka ny hafatra farany ho an’ireo mpiantsehatra sy ny Ray aman-dReny ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana Pr Fidiniavo Ravokatra omaly. Nambarany tamin’izany fa “miarahaba anareo sahady izay afaka hiatrika izany fanadinana izany fa dingana lehibe eo amin’ny fiainanareo izany na hanohy ny fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony ianareo, na hiditra eo amin’ny sehatry ny asa, dia manana ny lentany sy ny lanjany ny diplaoma bakalorea”. Tsy nohadinoiny ihany koa ny nanome toromarika ireo mpiadina ka nilazana fa “ho anareo mpiadina, aza adino ny taratasy fiantsoana miaraka amin’ny kara-panondro na ny karatra maha mpianatra, tongava mialoha eny amin’ny toeram-panadinana. Miomàna ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy. Atreho am-pahavononana sy am-pitoniana ireo androm-panadinana. Mitsodrano anareo rehetra hahatafitasoa ny fanadinana ary hahazo ny mari-pahaizana araka ny ezaka izay nataonareo tsirairay avy”.
Tsara ny manamarika fa efa any amin’ireo foibem-panadinana avokoa ny laza adina rehetra ary tsara ambina, raha ny fampitam-baovao any amin’ny Ministera tompon’andraikitra omaly. Mandray anjara amin’izay fanamafisana ny fiambenana izay ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Ankoatra io, efa vonona ihany koa ny mpiantsehatra rehetra manerana an’i Madagasikara, raha ny fampahafantarana hatrany. Mitarika sy mandrindra ary mandamina ny fizotran’ny fanadinana bakalorea any amin’ny toerana samihafa ireo solotenam-panjakana, miara-misalahy amin’ireo rantsamangaikan’ny Ministera rehetra isan-tsokajiny. Mitovy avokoa ny toromarika rehetra hitantanana ny fanadinana manerana ny Nosy.
Mahakasika ny laza adina
Lesoka tamin’ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea tamin’ny taon-dasa ny fivoahana laza adina mialoha ny fotoana. Bakalorea tsy misy tomika ny tanjona apetraka amin’ity taona ity ary ny mba hizoran’izany amin’ny antsakany sy andavany. Noho izany, nohamafisina avokoa ny paikady rehetra fiarovana ny laza adina mba tsy hisy ny famoahana mialoha. Nandray ny andraikitra feno ny Governemanta sy ny Fanjakana, ary nisy ny fanovana paikady. Natao maromaro ny laza adina noforonina isaky ny taranja, nandraisana fepetra manokana ny famonosana sy fandefasana ireo laza adina, ary kendrena mafy ny tsy hisian’ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra ny andron’ny fanadinana.
Mahakasika ireo ranty eny amin’ny tambazotran-tserasera milaza fa manana laza adina tena izy ka mivarotra izany any amin’ireo mpiadina, nohamafisin’ny Minisitra omaly fa tsy misy ny laza adina mivoaka alohan’ny fotoana. “Ireo laza adina sandoka izay nivoaka teny amin’ny tambazotran-tserasera dia hinoana fa tsy tratran’ny mena miraviray ianareo, sandoka sy hosoka avokoa ireny”. Noho izany indrindra, mampitandrina izay rehetra nanao ireny ranty ireny ny tenany fa enjehin’ny lalàna izany ary mbola mitohy ny fanenjehana ireo izay nanao izany. Tsiahivina fa efa nisy lehilehy iray tra-tehaka nanao izany tany Antsiranana tamin’ny herinandro lasa teo. Nisy ihany koa mpitantana vondrona anaty tambazotran-tserasera izay misoloky fa manana laza adina tena izy. Mbola an-dalam-pikarohana kosa ireo hafa nanao izany teto Antananarivo, Antsirabe, Toamasina, Mahajanga. Ankilany, nanamafy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny “Contrôleur Général de Police” Rakotoarimanana Herilala fa “mampitandrina izay minia manakorontana izahay… Efa misy ny fepetra raisina mikasika izany, ery efa fantatra ny tambazotra manely an’ireo filazana vaovao tsy marina sy ny fanelezana tsaho mikasika ny hoe fiparitahan’ny laza adina alohan’ny fotoana”.
Sarobidy Sidonie.



